Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 43:13 - Baiboly Katolika

13 Ireo tsangam-bato ao an-tranon’ny Masoandro, eo amin’ny tany Ejipta, hotorotoroina, ary ireo tranon’ny andriamanitr’i Ejipta hodorana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary hotorotoroiny ny tsangambaton-tsampy ao Bety-Semesy, izay any amin’ny tany Ejipta; ary hodorany amin’ny afo ny tranon’ny andriamanitr’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Hotorotoroin’i Nebokadnetsara koa ireo vato mitsangana ao Heliôpôly ary horavany amin’ny afo ireo tempolin’ny andriamanitry ny Ejiptianina.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Hotorotoroin’i Nebokadnetsara koa ireo vato mitsangana ao Heliôpôly ary horavany amin’ny afo ireo tempolin’ny andriamanitry ny Ejiptianina.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin’ny tany Egypta; ary hodorany amin’ny afo ny tranon’ny andriamanitr’i Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin'ny tany Egypta; ary hodorany amin'ny afo ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ary hotorotoroiny ny tsangambaton-tsampy ao Bety-Semesy, izay any amin’ny tany Ejipta; ary hodorany amin’ny afo ny tranon’ny andriamanitr’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 43:13
13 Rohy Ifampitohizana  

Nomen’i Faraôna anarana hoe Tsafnata-Paneaka i Josefa; ary natolony ho vadiny i Aseneta zanaka vavin’i Potifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga i Josefa hamangy ny tany Ejipta.


Faminaniana ny amin’i Ejipta. Indro i Iaveh, mitaingin-drahona maivana miditra any Ejipta. Ka ny sampin’i Ejipta, mangovitra eo anatrehany, ary ny fon’i Ejipta mihonaka ao anatiny.


Amin’izany andro izany hisy tanàna dimy, any amin’ny tany Ejipta, izay hiteny amin’ny fiteny Kanaàna sy hianiana hanompo an’i Iavehn’ny tafika; ny iray amin’ireo atao hoe Tanàna-Masoandro.


Miletsy izy ireo, miara-mirodana izy; tsy nahavonjy ny entana izy; lasan-ko babo mbamin’ny tenany aza.


Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.


I Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin’ny vahoakany rehetra,


Handrehitra afo ao amin’ny tranon’ireo andriamanitr’i Ejipta Aho, ka hodorana izany, ary hoentiny babo ireo andriamanitra ireo; ary hihodidinany hoatra ny hihodidinan’ny mpiandry ondry ny lambany ny tany Ejipta, vao hiala eo amim-piadanana izy.


Ny teny tonga tamin’i Jeremia, ho an’ny Jodeanina rehetra nitoetra tany amin’ny tany Ejipta, dia izay nitoetra tany Migdôla, tany Tafnesa, tany Nôfa, sy tany amin’ny tany Fatoresa, nanao hoe:


Hoy i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro, hovangiako avokoa i Amôna any Nô, sy i Faraôna sy i Ejipta, ireo andriamaniny sy ny mpanjakany, ary i Faraôna mbamin’ireo natoky azy.


Ny lalam-benao rehetra, hohitsakitsahin’ny kitron-tsoavaliny; ny olonao, hovonoiny amin’ny sabatra, ary ny andrinao mafy, hazerany amin’ny tany.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hofoanako ny sampim-betaveta, holevoniko ny andriamanitra tsy izy ao Nôfa, tsy hisy mpanapaka intsony, avy amin’ny tany Ejipta, ary hanidinako tahotra ny tany Ejipta.


Ny zatovon’i Avena sy i Bobasta, ho lavon-tsabatra; ary ny tenan’izy ireo ho lasan-ko babo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra