Ary teo amin’i Elia ny tanan’i Iaveh ka nisikina izy, dia nihazakazaka teo alohan’i Akaba, hatrany amin’ny fidirana any Jezrahela.
Jeremia 1:17 - Baiboly Katolika Fa ianao kosa: misikìna, mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao. Aza mangovitra eo anatrehany, fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany ianao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ianao kosa dia misikìna ary miomàna ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao. Aza matahotra azy ireo, fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao. DIEM PROTESTANTA Fa ianao kosa, ry Jeremià, misikìna, mitsangàna ka ambarao azy izay rehetra nandidiako anao. Aza matahotra azy ianao fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ianao kosa, ry Jeremià, misikìna, mitsangàna ka ambarao azy izay rehetra nandidiako anao. Aza matahotra azy ianao fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany hianao. Malagasy Bible Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao. La Bible en Malgache Fa ianao kosa dia misikìna ary miomàna ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao. Aza matahotra azy ireo, fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao. |
Ary teo amin’i Elia ny tanan’i Iaveh ka nisikina izy, dia nihazakazaka teo alohan’i Akaba, hatrany amin’ny fidirana any Jezrahela.
Dia hoy ilay Anjelin’i Iaveh tamin’i Elia: «Miaraha midina amin’io, ary aza matahotra eo anatrehany.» Koa niainga izy, ka niara-nidina taminy ho any amin’ny mpanjaka,
Ary hoy i Elisea tamin’i Giezi: «Misikìna ianao, ento eny an-tananao ny tehiko, dia mandehana. Ka raha mifanena amin’olona aza miarahaba azy; raha arahabain’olona aza mamaly azy. Dia apetraho eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.»
Ary niantso ny anankiray amin’ny zanaky ny mpaminany i Elisea mpaminany, ka nanao hoe: «Misikìna ianao; raiso eo an-tananao ity tavoara misy diloilo ity, ka mankanesa any Ramôta any Galaada.
Misikìna àry toy ny lehilahy: fa ndeha hanadina anao Aho nandatsaka ny fanorenan’ny tany?
Dia hoy Andriamanitra: «Homba anao Aho; ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao: Rehefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.»
Ianao moa hilaza izay rehetra hiandidiako anao; i Aarôna rahalahinao kosa, hiteny amin’i Faraôna mba handefany ny zanak’i Israely hiala amin’ny taniny.
Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda, andry vy ary manda varahina, eo anatrehan’ny tany rehetra, eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà, sy ny mpanapaka eo aminy, eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany.
Ny mpanenjika ahy no aoka ho menatra; fa izaho aoka tsy ho menatra. Izy ireo no aoka hangovitra; fa izaho aoka tsy hangovitra. Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary torotoroy amin’ny fanimbana roa sosona izy.
Aoka ny mpaminany nanonofy hilaza izany nofy izany; ary izay manana ny teniko, hilaza marina ny teniko. Fa inona izay mololo raha miolotra amin’ny vary? - teny marin’i Iaveh. -
Fa niteny tamin’ny loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia nanao hoe: «I Iaveh no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo, hamelezana ity trano ity.
Izao no lazain’i Iaveh: «Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon’i Iaveh, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelàna na dia teny iray aza.
Dia nataon’i Baròka zanak’i Nerià avokoa, izay nandidian’i Jeremia mpaminany azy; novakiny tao an-tranon’i Iaveh, tao amin’ny horonan-taratasy ny tenin’i Iaveh.
«Mitsangàna ianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe, hitory aminy ny toriteny lazaiko aminao».
Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo ampahibemaso sy isan-trano.
satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.
Raha mitory ny Evanjely aho, dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely.
fa nony avy nampahorîna sy nalàm-baraka tany Filipy izahay, araka ny fantatrareo rahateo, dia tonga nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tatỳ aminareo, tamim-pitokiana lehibe an’Andriamanitra sy tanatin’ny ady mangotraka.
Koa amin’izany, sikino ny fanahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra.