Jakoba 1:10 - Baiboly Katolika ary ny manan-karena kosa, hanao ny fietreny ho voninahiny, fa hihelina toy ny vonin’ny ahitra izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary ny mpanankarena kosa dia amin’ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ny ahitra izy. DIEM PROTESTANTA ary aoka Andriamanitra mampietry azy no hataon’ny havana mpanankarena ho reharehany, satria hihelina toy ny vonin’ireo ahitra eny an-tsaha ny mpanankarena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary aoka Andriamanitra mampietry azy no hataon’ny havana mpanankarena ho reharehany, satria hihelina toy ny vonin’ireo ahitra eny an-tsaha ny mpanankarena. Baiboly Protestanta Malagasy fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ny ahitra izy. Malagasy Bible fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy. La Bible en Malgache ary ny mpanankarena kosa dia amin’ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ny ahitra izy. |
Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny,
Nataonao vody voampelatanana monja ny androko; ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny fiainako. Eny, tso-drivotra foana avokoa, ny olombelona velona. - Selà
Injay misy feo manao hoe: «Miantsoa!» dia nisy namaly hoe: «Ahoana no antso hataoko?» «Ahitra ihany ny nofo rehetra, ary tahaka ny vonin-javatra eny an-tsaha, ny hatsaran-tarehiny.
Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa seranin’ny fofon’ain’i Iaveh. Eny, ahitra ihany ny olombelona:
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
Ka raha toy izany no fanàfin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana?
ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao
Eny, mbola ataoko faty antoka tokoa izany rehetra izany, raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko; fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fako, fako foana ny zavatra rehetra,
Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;
Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra; nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny;
Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.