Noho izany, ho azy ireo ny tenin’i Iaveh, dia «ho didy manampy didy, didy manampy didy; fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao mbetika izany»; mba handeha izy ireo, ka ho lavo mitsilany, ho torotoro ary ho voasambotra amin’ny fandrika.
Isaia 8:15 - Baiboly Katolika Maro amin’izy ireo no ho tafintohina, ho lavo, sady ho montsamontsana; ary ho voafandrika sy ho voasambotra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Maro no ho tafintohina Aminy sady ho lavo sy ho torotoro ary ho voafandrika sy ho voasambotra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary maro ao aminy no ho tafintohina Sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra. Malagasy Bible Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra. La Bible en Malgache Maro no ho tafintohina Aminy sady ho lavo sy ho torotoro ary ho voafandrika sy ho voasambotra. |
Noho izany, ho azy ireo ny tenin’i Iaveh, dia «ho didy manampy didy, didy manampy didy; fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao mbetika izany»; mba handeha izy ireo, ka ho lavo mitsilany, ho torotoro ary ho voasambotra amin’ny fandrika.
Noho izany, izao kosa no lazain’ny Tompo Iaveh: «Indro aho efa nametraka vato ho fanorenana ao Siôna dia vato voatsapa toetra, fehizoro, sarobidy, voaorina mafy: izay miankina aminy amim-pinoana, tsy mba handositra.
Miraparapa manara-drindrina, hoatra ny jamba isika, miraparapa hoatra ny olona tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana, hoatra ny maizin-takariva; eo afovoan’ny olona matanjaka isika dia sahala amin’ny olona maty.
ka noho ny habetsahan’ny ronono avy amin’ireny dia tsy hihinana afa-tsy hero-dronono ny olona; fa hero-dronono sy tantely no fihinan’ny olona rehetra tafajanona eo amin’ny tany.
Koa izao no lazain’i Iaveh: «Indro Aho hanisy vato fanafintohinana amin’ity vahoaka ity, ka samy ho tafintohina eo ny ray sy ny zanany; hiara-maty eo ny mponina sy ny manakaiky azy.»
Izay ho lavo amin’ny ity vato ity dia ho torotoro; ary izay hianjeran’ity vato ity dia ho mongomongo.
Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany»
Nahoana re? Satria tsy tamin’ny finoana, fa tamin’ny asa no nataony hahazoana azy; ka tafintohina tamin’ny vato manafintohina izy,
ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana. Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;