Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 7:3 - Baiboly Katolika

Dia hoy i Iaveh tamin’i Izaia: «Mivoaha ianao sy i Seara-Jasoba zanakao, hitsena an’i Akaza eo amin’ny faran’ny lakan-dranon’ny kamory ambony. amin’ny lalan’ny sahan’ny mpamotsy lamba;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy NY TOMPO tamin’Isaia: Mivoaha ianao sy i Seara-Iasoba zanakao hitsena an’i Ahaza eo amin’ny faran’ny lakandrano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny lalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy ny TOMPO tamin’i Isaià: –Mivoaha ny trano ianao mba hitsena an’i Ahaza, dia ianao sy i Seara-Jasoba zanakao lahy, fa efa mby amin’ny lakandrano ambony izy, eo amin’izay lalana mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy ny TOMPO tamin’i Isaià: –Mivoaha ny trano ianao mba hitsena an’i Ahaza, dia ianao sy i Seara-Jasoba zanakao lahy, fa efa mby amin’ny lakandrano ambony izy, eo amin’izay lalana mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Jehovah tamin’Isaia: Mivoaha hianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an’i Ahaza eo amin’ny faran’ny lakan-drano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny làlambe mankamin’ny sahan’ny mpamotsy lamba,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Jehovah tamin'Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, eo amin'ny lalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy NY TOMPO tamin’Isaia: Mivoaha ianao sy i Seara-Iasoba zanakao hitsena an’i Ahaza eo amin’ny faran’ny lakandrano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny lalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba,

Jereo ny toko



Isaia 7:3
14 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona faha-17 nanjakan’i Faseà zana-dRomeliasa no vao nanjaka kosa i Akaza, zanak’i Joatama mpanjakan’i Jodà.


Ary ny mpanjakan’i Asiria naniraka ny jeneraliny ambony indrindra sy ny lehiben’ny eonoka, ny komandy mpandroso divay, mbamin’ny miaramila maro koa, avy any Lakisa, ho any amin’i Ezekiasa mpanjaka, any Jerosalema. Nony tonga tao izy, dia nijanona teo anilan’ny lakan-dranon’ny farihy ambony, amin’ny lalana mankamin’ny sahan’ny mpamotsy lamba,


Ny sisa tamin’ny asan’i Ezekiasa, ny herim-po nasehony, ny nanaovany ny kamory aman-dakan-drano mbamin’ny nitarihany rano ho ao an-tanàna, dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà.


Nanaraka azy, i Nehemia zanak’i Azbôka, lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Betsora, namboatra hatreo amin’ny tandrifin’ireo fasan’i Davida, hatreo amin’ilay dobo voafaritra sy hatreo amin’ny tranon’ny Lehilahy mahery.


Rahampitso maraina mankanesa any amin’i Faraôna ianao, fa hivoaka ho any amoron-drano izy, ka dia eo amoron’ny ony ianao miandry azy. Hoentinao eo an-tanana ilay tehina voaova ho bibilava,


Misy sisa hiverina, dia sisa amin’i Jakôba, ho amin’ny Andriamanitra mahery.


nisainareo ny trano ao Jerosalema ary noravanareo ny trano hamboarana ny manda.


Nanao fitahirizan-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo, halehan’ny rano avy amin’ny kamory tranainy. Kanefa Ilay nanao izany tsy nojerenao akory, Ilay nanomana izany hatry ny ela tsy hitanareo akory.


Ary nirahin’ny mpanjakan’i Asiria ny lehiben’ny mpandroso divay aminy nitondra miaramila maro, avy ao Lakisa ho any Jerosalema, amin’i Ezekiasa mpanjaka; nijanona teo amin’ny lakan-drano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny lalana mamkamin’ny sahan’ny Mpamotsy lamba, ny lehiben’ny mpandroso divay.


aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.


Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rehefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.»


Izao no lazain’i Iaveh: Midìna ho any an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà,


Izany koa no iantsoan’i Izaia mafy ny amin’i Israely hoe: «Na dia toy ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny zanak’i Israely, dia izay sisa ihany no ho voavonjy.