ary nanipy ny andriamaniny tao amin’ny afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan-tanan’olombelona, vato aman-kazo, ka nataony levona.
Isaia 44:9 - Baiboly Katolika Zava-poana avokoa ny mpanao sampy, ary tsy misy asany akory izay asany tampony indrindra. Tsy mahita na inona na inona ny vavolombelon’izy ireny, tsy mahalala na inona na inona, ka henatra ho azy izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; tsy mahasoa akory ny zavatra tiany indrindra; ireny no vavolombelony, sady tsy mahita ireny no tsy mahalala, koa hitsanga-menatra noho izany izy. DIEM PROTESTANTA Zava-poana avokoa ny mpanao sarivongan-tsampy ary tsy mahasoa akory ny zavatra lalainy: Ny sarivongan-tsampy no vavolombelona ho azy, kanefa vavolombelona tsy mahita akory, ary tsy mahalala na inona na inona ka handiso fanantenana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Zava-poana avokoa ny mpanao sarivongan-tsampy ary tsy mahasoa akory ny zavatra lalainy: Ny sarivongan-tsampy no vavolombelona ho azy, kanefa vavolombelona tsy mahita akory, ary tsy mahalala na inona na inona ka handiso fanantenana azy. Baiboly Protestanta Malagasy Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon’ireny dia tsy mahita na mahalala, Mba hahamenatra azy. Malagasy Bible Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon'ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy. La Bible en Malgache Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; tsy mahasoa akory ny zavatra tiany indrindra; ireny no vavolombelony, sady tsy mahita ireny no tsy mahalala, koa hitsanga-menatra noho izany izy. |
ary nanipy ny andriamaniny tao amin’ny afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan-tanan’olombelona, vato aman-kazo, ka nataony levona.
Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.
Ry Iaveh ô, ny tananao efa voaainga tsy hitan’izy ireo. Fa ny zotom-ponao ho an’ny olonao kosa ho hitany ka hangaihay izy ireo; ho levon’ny afo natao handevonana ny fahavalonao.
Indro fa tsinontsinona ianareo, ary zava-poana ny asanareo; vetaveta izay mifidy anareo!»
Indro fa zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivo-poana ny sampiny.
Hihemotra sy ho safo-kenatra ireo izay matoky ny sampy, izay milaza amin’ny sarin-javatra anidina hoe: Ianareo no andriamanitray.»
Aoka hivory ny firenena rehetra, sy hiangona ny vahoaka! Iza amin’izy ireo no nanambara izany zavatra izany, sy nilaza tamintsika ny faminaniana taloha? Aoka hasehony izay vavolombelona sy hanamarina ny filazana izy; aoka hihaino azy ny olona sy hanao hoe: «Marina izany!»
Ho menatra avokoa ny mpivavaka aminy; fa olombelona ihany ny mpanao azy! Aoka hivory avokoa izy, ka hiseho!... Hangovitra sy ho indray menatra avokoa izy rehetra.
Tsy mahalala na mahafantatra na inona na inona izy ireo, fa voatentina ny masony ka tsy mahita, ary ny fony koa, ka tsy mahazo an-tsaina.
Voky lavenona izy; mivoana entin’ny fony voafitaka izy. Tsy hamonjy ny fanahiny izy, na hilaza hoe: «Moa tsy lainga va izay eto an-tanako?»
Mivoria ianareo, ka avia, miaraha manatona, ry sisan’ny firenena izay afaka. Tsy mahalala na inona na inona izay mitondra ny sampy hazony, sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.
Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Ny mpanompoko hihinana, fa ianareo ho noana; ny mpanompoko hisotro, fa ianareo hangetaheta. Ny mpanompoko hiravoravo, fa ianareo hangaihay;
Mba misy mahalatsaka orana va ny sampy foanan’ny firenena? sa ny lanitra no manome ny ranonorana? Fa tsy Ianao ihany, ry Iaveh Andriamanitray? Koa Ianao no antenainay, satria Ianao no manao izany rehetra izany.»
Moa misy firenena manakalo ny andriamaniny va? - nefa ireny aza tsy Andriamanitra akory!... Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny, amin’izay tsy mahasoa na inona na inona!
Toy ny fangaihain’ny mpangalatra azo an-tanana no fangaihain’ny taranak’i Israely, dia izy ireo, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ama-mpaminaniny,
Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.
izany hoe amin’ireo tsy mino nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao mba tsy hiposahan’ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.
fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony,
Taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.
Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason’i Iaveh, asan-tanan’ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
Asan-tanan’olombelona no andriamanitra hotompoinareo any, dia vato aman-kazo izay tsy mahita, na mandre na mihinana na manimbolo.
Fa mandehana mitaraina amin’ireo andriamanitra efa nofidinareo, ireo no hamonjy anareo amin’ny andron’ny fahoriana».