Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Isaia 43:9 - Baiboly Katolika

9 Aoka hivory ny firenena rehetra, sy hiangona ny vahoaka! Iza amin’izy ireo no nanambara izany zavatra izany, sy nilaza tamintsika ny faminaniana taloha? Aoka hasehony izay vavolombelona sy hanamarina ny filazana izy; aoka hihaino azy ny olona sy hanao hoe: «Marina izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Aoka hiangona ny firenena rehetra ary aoka hivory ny mponina! Iza tamin’izy ireo no nanambara izany? Iza tamin’izy ireo no nanambara tamintsika izay niseho taloha? Aoka hoentiny hanamarina azy ny vavolombelony! Ary aoka hohenoina ireo mba hiaiky hoe: Marina izany!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Aoka hiangona ny firenena rehetra ary hivory ny olombelona! Iza amin’ireo andriamanitrareo no mahalaza aminay ny zava-nitranga? Aoka izy hanambara aminay ny zava-niseho voalohany. Aoka hasehony ny vavolombelony mba haneho ny fahamarinany; ary aoka ny vavolombelony hihaino azy ka hanamafy hoe: «Marina izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Aoka hiangona ny firenena rehetra ary hivory ny olombelona! Iza amin’ireo andriamanitrareo no mahalaza aminay ny zava-nitranga? Aoka izy hanambara aminay ny zava-niseho voalohany. Aoka hasehony ny vavolombelony mba haneho ny fahamarinany; ary aoka ny vavolombelony hihaino azy ka hanamafy hoe: «Marina izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

9 Aoka hiangona ny firenena rehetra ary aoka hivory ny mponina! Iza tamin’izy ireo no nanambara izany? Iza tamin’izy ireo no nanambara tamintsika izay niseho taloha? Aoka hoentiny hanamarina azy ny vavolombelony! Ary aoka hohenoina ireo mba hiaiky hoe: Marina izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Isaia 43:9
17 Rohy Ifampitohizana  

Salamon’i Asafa. Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany.

Manatòna hihaino, ianareo firenena, mampandria sofina, ianareo vahoaka! Aoka hihaino avokoa ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy; izao tontolo izao mbamin’ny vokatra rehetra avy aminy.

Mangina hihaino Ahy ianareo, ry nosy, ary aoka ny firenena hamelombelona ny heriny, ka hanatona sy hiteny! Andeha isika hiaraka ho eo amin’ny fitsarana

Ampahatsiarovy Aho; aoka hifandahatra isika. Aoka ny tenanao no hilaza izay mahamarina ny anao.

Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.

Andriamanitra Aho, ary tsy misy mitovy amiko, Izaho no manambara ny farany, hatramin’ny voalohany, sy ny mbola tsy eo akory, hatrarỳ aloha ela; Izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hoefaiko ny sitrapoko rehetra;

Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza tamin’ireny no mba efa nilaza izany? Ilay tian’i Iaveh dia hanatanteraka ny sitrapony amin’i Babela, ary ny sandriny hamely ny Kaldeanina. -

Ny zavatra taloha, dia efa nambarako hatramin’ny ela; naloaky ny vavako izany, sady nantsoiko ampahibemaso; ary tampoka Aho dia nanao, ka tanteraka ireo zavatra ireo.

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra