Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 40:3 - Baiboly Katolika

Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Injany misy feo miantso hoe: Savaonareo ny lalana ho an’NY TOMPO any an-tany efitra! Manaova ianareo lalambe ho an’Andriamanitsika any an-tany foana!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an-taniefitra ho an’ny TOMPO, mamakia arabe any an-tany karakaina ho an’Andriamanitsika.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an-taniefitra ho an’ny TOMPO, mamakia arabe any an-tany karakaina ho an’Andriamanitsika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Injany! misy feon’ny miantso hoe: Manamboara làlana any an-efitra ho an’i Jehovah, Manaova làlambe any an-tany foana ho an’Andriamanitsika.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Injany misy feo miantso hoe: Savaonareo ny lalana ho an’NY TOMPO any an-tany efitra! Manaova ianareo lalambe ho an’Andriamanitsika any an-tany foana!

Jereo ny toko



Isaia 40:3
16 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo eo anatrehan’Andriamanitra, aoka hientan-kafaliana izy ireo!


Hisy arabe, hisy lalana, izay atao hoe ny lalana masina; ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo; fa ho azy ireo ihany izy io; izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.


Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra; ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry; ny avo hanjary tany lemaka; ary ny vato mideza ho lembalemba.


Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina.


Hataoko lalana ny tendrombohitra rehetra; ary hasandratra indray ny lalako.


Ary hisy hilaza hoe: «Savao, savao ny lalana, areno izy, esory ny misakantsakana rehetra eo amin’ny lalan’ny vahoakako!»


Indro Aho haniraka ny hirako, ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy i Iavehn’ny tafika.


Dia hoy izy: «Izaho no feon’ny miantso any an’efitra hoe: Ahitsio ny lalan’ny Tompo, araka izay voalazan’i Izaia mpaminany.»