Ary ny olo-mahery ho tahaka ny hoto, ary ny asany ho kilalaon’afo. Ka hiara-mirehitra izy roa tonta, sady tsy hisy olona hamono ny afo.
Isaia 34:10 - Baiboly Katolika ka ny firehiny tsy hovonoina na andro na alina, ary ny setrony, hisavoana mandrakizay. Ho foana amin’ny taona mifandimby izy io, tsy hisy olona handeha hamaky azy mandrakizay doria. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy hovonoina izany na alina na andro, ary hisavoana tsy mitsahatra ny setrony; ho tany karankaina hatramin’ny taranaka fara aman-dimby izy, tsy hisy handeha hamakivaky azy intsony mandrakizay mandrakizay. DIEM PROTESTANTA ka tsy ho faty na andro na alina izany, ary hiakatra tsy an-kijanona ny setroka; hijanona ho tany hay hatrany hatrany i Edôma ary tsy hisy handalo eo intsony mandrakizay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka tsy ho faty na andro na alina izany, ary hiakatra tsy an-kijanona ny setroka; hijanona ho tany hay hatrany hatrany i Edôma ary tsy hisy handalo eo intsony mandrakizay. Baiboly Protestanta Malagasy Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, Ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin’ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, Tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay. Malagasy Bible Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay. La Bible en Malgache Tsy hovonoina izany na alina na andro, ary hisavoana tsy mitsahatra ny setrony; ho tany karankaina hatramin’ny taranaka fara aman-dimby izy, tsy hisy handeha hamakivaky azy intsony mandrakizay mandrakizay. |
Ary ny olo-mahery ho tahaka ny hoto, ary ny asany ho kilalaon’afo. Ka hiara-mirehitra izy roa tonta, sady tsy hisy olona hamono ny afo.
ary tsy honenana intsony amin’ny taona mifandimby izy; ny Arabo tsy hanangan-day eo; ary ny mpiandry biby tsy hametraka biby fiompy am-bala eo.
Indro i Iaveh handrava ny tany manontolo sy hanavitsy ny mponina aminy, ny vohon’ny tany hakorokorony; ary ny mponina haeliny.
Tenany no nanao loka ho an’ireo, ary tanany no nizara ny tany ho azy ireo amin’ny famolaina; ka hanana izany mandrakizay ireo; ary honina ao amin’ny taona mifandimby.
Ary rehefa nivoaka izy ireo, dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko; fa ny kankan’ireny tsy ho faty ny afony tsy hovonoina, ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.
Hanahaka ny nandravana an’i Sôdôma sy i Gômôra mbamin’ireo tanàna nanodidina azy izy, hoy i Iaveh; ka tsy hisy olona monina ao, na hisy zanak’olombelona hipetraka ao.
Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: «Indro haidina amin’ity tany ity, ny hatezerako amam-pahavinirako, dia amin’ny olona sy ny biby, amin’ny hazo eny an-tsaha sy ny vokatry ny tany; ary hirehitra izany, ka tsy ho faty.»
Tsy hodiavin-tongotr’olona intsony eo; ary ny tongo-biby tsy handia azy, ary tsy hisy mponina eo, mandritra ny efapolo taona.
Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena! fa tsy hita lany ny hareny, mbamin’ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.
ka niantsoantso nahita ny setroky ny fandoroana azy, nanao hoe: «Aiza intsony no hahita tahaka izany tanàna lehibe izany?»
Dia naverin’izy ireo fanindroany indray ny hoe: «Aleloia!» Ary niakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny tanàna.