Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 3:15 - Baiboly Katolika

Lalàna avy aiza no anosihosenareo ny vahoakako, sy anorotoroanareo ny tavan’ny ory?» Teny ton’ny Tompo Iavehn’ny tafika, izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nahoana no dia hosihosenareo ny oloko ary torotoroinareo ny tavan’ny madinika? Hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ahoana moa no ahazoanareo mampahory ny vahoakako sy manosihosy ny fahamendrehan’ny mahantra? Izany no teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ahoana moa no ahazoanareo mampahory ny vahoakako sy manosihosy ny fahamendrehan’ny mahantra? Izany no teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan’ny malahelo? Hoy Jehovah, Tompon’ny maro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan'ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nahoana no dia hosihosenareo ny oloko ary torotoroinareo ny tavan’ny madinika? Hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko



Isaia 3:15
17 Rohy Ifampitohizana  

Iaveh ô, izy ireo dia manorotoro ny vahoakanao, mampahory ny lovanao,


Ary voakapoka ny mpanoratry ny zanak’i Israely, izay notendren’ny mpampiasan’i Faraôna hifehy azy ireo, fa hoy ny mpampiasa: «Nahoana ianareo omaly sy androany, no tsy nahavita ny biriky fanaonareo toraky ny taloha?»


Misy taranaka, ka sabatra ny nifiny, ary antsy ny vazany; hihinana ny ory tsy ho amin’ny tany, sy ny tsy manana tsy ho eo amin’ny olombelona.


Mampanalavitra ny tribonaly ny osa sy manendaka ny rariny amin’izay ory eo amin’ny vahoakako; ny mpitondratena ataony firemby; ary ny kamboty fambabony!


Ka amin’izay ny faraidiny hahita hanina; ary ny mahantra handry feizay. Fa ny taranakao kosa, hataoko maty mosary; ary izay sisa avy aminao, haringana. -


ka voahosihosin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ambany toerana sy ny dian’ny ory.»


Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany, amin’i Iaveh, ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana ao amin’Ilay Masin’i Israely.


Noho izany, izao no lazain’Ilay Masin’i Israely: Noho ianareo manamavo izany teny izany, sy mitoky amin’ny fanaovana an-keriny amam-pitaka, sady manao izany ho fiankinanareo,


Satria ny adala miteniteny foana, ary ny ratsy no imasoan’ny fony, mba hanaovany zavatra mifanohitra amin’ny fivavahana; sy hanononany teny diso manohitra an’i Iaveh, mba hamelany ny fanahin’ny noana hilendalenda fotsiny eo, sy hanesorany ny fisotro eny amin’izay mangetaheta.


Fa ny taranak’i Israely, no tanimboalobok’i Iavehn’ny tafika, ary ny olona any Jodà, no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita.


Sady miady sy mifanditra ianareo no mifady, ary mamely totohondry an-katezerana aza! Ny fomba fifadianareo amin’izany andro izany, tsy mba hihainoana ny feonareo any amin’ny avo.


Fa hoy Izy: «Eny, oloko izy ireo, zanaka tsy mba hivadika!» Ka dia Mpamonjy ho azy ireo Izy.


Ahoana ange no anonontononanareo ity ohabolana ity, ny amin’ny tanin’i Israely ataonareo hoe: Ny ray no mihinam-boaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify!


Avy nanatona azy ny kapitenin-tsambo, ka nanao taminy hoe: «Inona ity ataonao no matory foana? Mitsangàna antsoy ny Andriamanitrao, ndrao mba mihevitra antsika Andriamanitra, ka tsy ho faty isika».