Isaia 27:9 - Baiboly Katolika Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba, ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany. Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony manjary vovoka manahaka ny vato sokay, dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ka izao no hamelana ny helok’i Jakoba, ary izao ihany no vokatry ny fanesorana ny fahotany: Ny hanaovany ny vato rehetra amin’ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny tsangambato ho an’ny masoandro dia tsy hitsangana intsony. DIEM PROTESTANTA Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ka izao no hamelana ny helok’i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, Dia amin’ny anaovany ny vato rehetra amin’ny alitara Ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, Ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ny masoandro dia tsy hitsangana intsony. Malagasy Bible Ka izao no hamelana ny helok'i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin'ny anaovany ny vato rehetra amin'ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro dia tsy hitsangana intsony. La Bible en Malgache Ka izao no hamelana ny helok’i Jakoba, ary izao ihany no vokatry ny fanesorana ny fahotany: Ny hanaovany ny vato rehetra amin’ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* sy ny tsangambato ho an’ny masoandro dia tsy hitsangana intsony. |
nazerany ny tsangam-baton-tsampy, nokapainy ny aserah, ary nofenoiny taolan’olona ny fitoerana nitoerany.
Nodorany ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe.
Nanao tanàna mimanda tamin’i Jodà izy, fa nandry ny tany, ary tsy nisy ady namely azy tamin’izany taona izany, satria nomen’i Iaveh fitsaharana izy.
Noravana teo anatrehany ny ôtelin’ireo Baala, dia nazerany ny sariolona teo amboniny natokana ho an’ny masoandro, notorotoroiny ny aserah, ny sarin-javatra voasikotra, ny sarin-javatra anidina, nataony zary vovoka ireny, dia nafafiny teny amin’ny fasan’izay nanatitra sorona taminy,
Nodorany ny tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema, notselarany ny afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka sarobidy rehetra.
Ny kapoka mandrovirovitra ny nofo, mahasitrana ny faharatsiana; torak’izany koa, ny kapoka mihatra hatrany an-kibo.
Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.
Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy; tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany; dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro.
Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo; mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo: ka harianareo hoatra ny zava-maloto: «Mialà eto», hoy ianareo aminy.
Rehefa voasasan’i Iaveh, ny loton’ny zanaka vavin’i Siôna, ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany, amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana,
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany.
Indro fa nandrendrika anao Aho, nefa tsy nahazo volafotsy; ary nizaha toetra anao tamin’ny memin’ny fahoriana Aho.
Dia hiditra ao izy ireo, ka hesoriny hiala ao avokoa ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra.
Havahako hiala aminareo ireo mpiodina, sy ireo niendaka tamiko; hotsoahako avy any amin’ny tany nivahiniany ihany izy, nefa tsy mba ho tonga any amin’ny tanin’i Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
ny ôtelinareo ho voarava, ny andrinareo ho an’ny masoandro, hotapahina; ny lehilahinareo hataoko mitsingidina, voan’ny fahafatesana, eo anoloan’ny sampinareo;
Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony, hampahavokatra ny vary indray; haniry toy ny voaloboka izy; ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany.
Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an’ny masoandro; hampifanongoaviko amin’ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian’ny fanahiko amim-paharikorikoana ianareo.
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika: - Hofoanako amin’ny tany ny anaran-tsampy, ka tsy hotononina intsony izany; ary hoesoriko amin’ny tany koa ny mpaminany mbamin’ny fanahim-pahalotoana.
dia ho tanteraka amin’izany ny fanekena nataoko tamin’izy ireo, rehefa voaesotra ny fahotany.
Ary isika no tsaraina sy faizin’ny Tompo, dia ny mba tsy hanamelohana antsika miaraka amin’izao tontolo izao.
Aongàny ny ôtely, montsàny ny vato voatsangany, doroy amin’ny afo ny aserîmany; poteho ny sarin’andriamaniny voasokitra, ary foany eo amin’izany fitoerana izany hatramin’ny anarany aza.