Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 27:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ka izao no hamelana ny helok’i Jakoba, ary izao ihany no vokatry ny fanesorana ny fahotany: Ny hanaovany ny vato rehetra amin’ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny tsangambato ho an’ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba, ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany. Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony manjary vovoka manahaka ny vato sokay, dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ka izao no hamelana ny helok’i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, Dia amin’ny anaovany ny vato rehetra amin’ny alitara Ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, Ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ka izao no hamelana ny helok'i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin'ny anaovany ny vato rehetra amin'ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 27:9
36 Rohy Ifampitohizana  

Dia navoakany avokoa ny andry hazo tao amin’io tempoly io ka nodorany,


Nomontsaniny ny tsangambaton-tsampy sady nokapainy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ka nofenoiny taolam-patin’olona ny toerany.


Izy no nandoro ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka ary ireo trano tao an-tanàna, indrindra ny an’ny olona ambony rehetra.


Eny, nandry feizay tokoa ny tany fa tsy nisy niady tamin’i Asà nandritra ireo taona ireo, satria ny TOMPO no nanome azy fiadanana ary nanamafy tanàna maro tao Joda ny mpanjaka nandritra izany fotoam-pilaminana izany


Noravana teo anatrehan’i Jôsià ny alitaran’ireo andriamanitra Bahala; nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra teo amboniny; novakivakiny ny tsatokazo fanajana an’i Aserà mbamin’ireo sarin-tsampy voasokitra na mivongana; ary notorotoroiny ho lasan-ko vovoka izany rehetra izany ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo efa nanolotra sorona tamin’ireny andriamani-tsiizy ireny.


Nodoran’ny Babilônianina koa ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny mandan’i Jerosalema; notselarany afo ny lapa rehetra ary nosimbany ny fanaka sarobidy isan-karazany tao an-tanàna.


Naniasia aho fony tsy mbola azom-pahoriana, fa ankehitriny tandremako ny hafatrao.


Nahasoa ahy ny azom-pahoriana mba hianarako ny lalànanao.


Fa ravao ny alitarany, poteho ny tsangambatony, ary kapao ireo tsato-kazo fanajany an’i Aserà.


Ny fery mangirifiry dia mety mahafaka ny haratsiam-panahy, ary ny kapoka mahadio ny ao am-po tsy miloaka.


Tena ho diso fanantenana ianareo ny amin’ireo hazo terebinta izay nolalainareo; eny, ho menatra ianareo ny amin’ireo toerana nofidinareo hanaovana ny fombafomban-tsampy.


Tsy hitodika any amin’ny alitara namboariny intsony izy ary tsy hijery ireo sampy nataon’ny tanany, na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.


Hoheverinao ho zava-maloto ny sampy voasokitra mifono volafotsy sy ny sarivongana voarakotra volamena, ka hatsipinao toy ny zava-maharikoriko ary hataonao hoe: «Mialà amiko!»


Hisy Fanahy fahamarinana sy fanadiovana hitsoka; koa rehefa voadion’ny Tompo ho afaka amin’ny lotony ireo andriambavilanitr’i Tsiôna, ary voasasan’ny Tompo ho afaka amin’ny ra nalatsaka tao aminy i Jerosalema,


Omeo toky i Jerosalema ka antsoantsoy aminy fa tapitra ny asa an-terivozona sady vita ny sazy nahatra taminy; ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’ny TOMPO izy ho avotry ny fahotana rehetra nataony.»


Indro nosedraiko ianareo, nefa tsy tamin’ny afo toy ny fanao amin’ny volafotsy; fa tamin’ny memin’ny fahoriana no nandiovako anareo.


Rehefa tafaverina any ianareo, dia hanaisotra ny fanao mahatsiravina sy maharikoriko rehetra momba ny fanompoan-tsampy izay misy ao.


Hoesoriko tsy ho eo aminareo ireo nikomy sy niodina tamiko. Hoentiko miala amin’ny tany izay ivahiniany izy, nefa tsy hiverina intsony any amin’ny tanin’i Israely. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.›


Hopotehiko ny alitaranareo ary hosimbako ny fitaovana fandoroanareo vovo-javamanitra mifangaro ka hataoko maty miampatrampatra eo anoloan’ny sampinareo ianareo.


Ary hisy amin’ireo hendry ireo no ho faty mba hanadiovana sy hanatsarana ary hamotsiana ny vahoakan’Andriamanitra mandra-piavin’ny fotoana farany, satria ho tonga izany amin’ny fotoana voatondro.


Ho avy indray i Israely, ka hitoetra eo ambany fiarovako. Hamboly vary indray izy, ka hiroborobo tahaka ny voaloboka sy halaza tahaka ny divay avy any Libàno.


Haharikoriko Ahy ianareo, ka horavako ny toerana anajànareo sampy, hazerako ny tsangambato anompoanareo ny masoandro, ary ny fatinareo hampifanongoaviko eo ambonin’ny sampy rava.


Hofoanako tsy ho eo an-tanànanareo ny fanaovana ody ratsy ary tsy hisy eo aminareo intsony ny mpanandro.


«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako amin’ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy.


Izany no fanekempihavanana hataoko aminy, rehefa voaesotro ny fahotany.»


Sazîn’ny Tompo sy faiziny kosa isika mba tsy ho voaheloka miaraka amin’izao tontolo izao.


Dia horavanareo ny alitarany, hovakivakînareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo ny tsato-kazo fanajany an’i Aserà, ary hokapainareo ny sarin-tsampy voasokitra izay andriamaniny; ka hofoananareo ny fahatsiarovana ireny andriamanitra sampy ireny eo amin’izany toerana izany.


Fa ny zanaka tiany no faizin’ny Tompo ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny»?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra