Ny tanànan’i Aroera ilaozana, nafoy ho an’ny biby fiompy izy, ka mijanona ao tsy misy mampiala azy.
Isaia 27:10 - Baiboly Katolika Fa ny tanàna mimanda efa zary tany foana, fonenana lao sy nilaozana, tahaka ny efitra; zanak’omby no miraotra ao, mandry sy mihinana ny rantsan-kazo ao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hitoka-monina ny tanàna mimanda ka ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny tany efitra; ao no hihinanan’ny zanak’omby sy handriany ary handaniany ny rantsan-kazony. DIEM PROTESTANTA Tsy hisy olona intsony ao an-tanànamimanda fa ho foana sy ilaozana toy ny taniefitra izany, ka ho lasa toeram-piraofan’ny zanak’omby, handriany sy hihinanany ravin-kazo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy hisy olona intsony ao an-tanànamimanda fa ho foana sy ilaozana toy ny taniefitra izany, ka ho lasa toeram-piraofan’ny zanak’omby, handriany sy hihinanany ravin-kazo. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ho foana ny tanàna mimànda, Ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra; Ao no hihinanan’ny zanak’omby, Ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony. Malagasy Bible Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan'ny zanak'omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony. La Bible en Malgache Fa hitoka-monina ny tanàna mimanda ka ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny tany efitra; ao no hihinanan’ny zanak’omby sy handriany ary handaniany ny rantsan-kazony. |
Ny tanànan’i Aroera ilaozana, nafoy ho an’ny biby fiompy izy, ka mijanona ao tsy misy mampiala azy.
Amin’izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho toy ny tanàna nilaozana eny an’ala aman-tendrombohitra izay nilaozana teo anoloan’ny zanak’i Israely: dia ho tany efitra.
Fa ny tanàna nataonao zary korontam-bato, ary ny tanàna mimanda, nataonao zava-drava, ny trano mimandan’ny barbarianina, tsy mba tanàna intsony, sady tsy hatsangana mandrakizay.
Ary ianao kosa hanao anakampo hoe: «Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa tsy nanan-janaka aho, momba aho, noroahina sy nisaorana aho; ary ireto kosa, iza no nitaiza azy? Indro Aho nitoetra irery; ka taiza ireto?»
Ny tranonay masina sy be voninahitra, izay nankalazan’ny razanay ny fiderana Anao, efa nodoran’ny afo, ary ny zavatra maminay rava avokoa.
Ary ny tendrombohitra rehetra izay fiasa tamin’ny antsetra fiavàna tsy hankanesanao intsony noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; fa dia ho tany fiandrasana omby, ary ho tany hitsakitsahin’ny ondry.»
Ny any an-tsaha tsy misy tabataba dia rava avy amin’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh!
i Mikea avy any Môresheta dia naminany, ka nilaza tamin’ny vahoakan’i Jodà rehetra hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Hasaina toy ny tanimboly i Siôna; hanjary antontan-java-drava i Jerosalema ary havoana miboalaboala ny tendrombohitra misy ny tempoly.
dia hataoko tahaka an’i Silao ity trano ity, ary hataoko fanozonana amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ity tanàna ity.› »
Novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna ireo, sy nataony maty tao Reblà, amin’ny tanin’i Emata. Toy izany no nitondrana an’i Jodà ho babo, lavitry ny taniny.
Misaona ny lalan’i Siôna, fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin’ny fetiny. Rava avokoa ny vavahadiny, mitaraina ny mpisorony, miferinaina ny virjininy ary tra-pahoriana mangidy izy.
noho izany, ry tendrombohitr’i Israely, dia mihainoa ny tenin’ny Tompo Iaveh: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’ny tendrombohitra sy havoana, amin’ny hantsan-driaka sy ny lohasaha, amin’ny toeran-dravarava mahalao monina sy amin’ny tanàna haolo, izay efa natolotra horobaina sy hihomehezan’ny sisa amin’ny firenena manodidina;
Koa noho ny aminareo, i Siôna hanjary saha asaina, i Jerosalema ho tonga antontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Tempoly ho fitoerana avo misy hazo!