Isaia 27:10 - DIEM PROTESTANTA10 Tsy hisy olona intsony ao an-tanànamimanda fa ho foana sy ilaozana toy ny taniefitra izany, ka ho lasa toeram-piraofan’ny zanak’omby, handriany sy hihinanany ravin-kazo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201110 Fa hitoka-monina ny tanàna mimanda ka ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny tany efitra; ao no hihinanan’ny zanak’omby sy handriany ary handaniany ny rantsan-kazony. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara10 Tsy hisy olona intsony ao an-tanànamimanda fa ho foana sy ilaozana toy ny taniefitra izany, ka ho lasa toeram-piraofan’ny zanak’omby, handriany sy hihinanany ravin-kazo. Jereo ny tokoBaiboly Katolika10 Fa ny tanàna mimanda efa zary tany foana, fonenana lao sy nilaozana, tahaka ny efitra; zanak’omby no miraotra ao, mandry sy mihinana ny rantsan-kazo ao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy10 Fa ho foana ny tanàna mimànda, Ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra; Ao no hihinanan’ny zanak’omby, Ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony. Jereo ny tokoMalagasy Bible10 Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan'ny zanak'omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony. Jereo ny toko |
–Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»