Isaia 23:4 - Baiboly Katolika Aoka ho safotry ny henatra ianao, ry Sidona, fa efa niteny ny ranomasina, ny trano mimanda eo amin’ny ranomasina, nanao hoe: «Tsy mba nihetsi-jaza aho na niteraka, tsy mba namelona zatovo aho, na nitaiza virjiny.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aoka ho menatra ianao, ry Sidona! Fa hoy ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina hoe: Tsy nihetsi-jaza aho, tsy niteraka aho, tsy nitaiza zatovo aho na namelona virijiny. DIEM PROTESTANTA Koa fahavoazana moa izato manjo anao, ry Tsidôna, tanàna mimanda eo amoron-dranomasina! Fa hoy indrindra ny ranomasina hoe: «Laviko ny hihetsi-jaza na hiteraka, laviko ny hitaiza zazalahy na hanabe tovovavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa fahavoazana moa izato manjo anao, ry Tsidôna, tanàna mimanda eo amoron-dranomasina! Fa hoy indrindra ny ranomasina hoe: «Laviko ny hihetsi-jaza na hiteraka, laviko ny hitaiza zazalahy na hanabe tovovavy. Baiboly Protestanta Malagasy Aoka ho menatra hianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, Tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina. Malagasy Bible Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina. La Bible en Malgache Aoka ho menatra ianao, ry Sidona! Fa hoy ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina hoe: Tsy nihetsi-jaza aho, tsy niteraka aho, tsy nitaiza zatovo aho na namelona virijiny. |
Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà.
ny mpanjaka rehetra any Tira, ny mpanjaka rehetra any Sidona, mbamin’ny mpanjakan’ny nosy any an-dafin’ny ranomasina;
Dia ampanatero izany ho any amin’ny mpanjakan’i Edôma, ny mpanjakan’i Moaba, ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ny mpanjakan’i Tira, ary ny mpanjakan’i Sidona, amin’ny alalan’ireo iraka izay tonga tatỳ Jerosalema ho any amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà:
ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy aminao Aho, ry Sidona; hanome voninahitra ny Tenako eo aminao Aho. Ho fantatry ny olona, fa Iaveh Aho, rehefa manatanteraka fitsarana momba azy Aho, sy manamasina ny Tenako eo aminy.
Natolotr’i Iaveh teo an-tanan’i Israely izy ireo, ka nasiany sy nenjehiny hatrany Sidona lehibe sy hatrany amin’ny lohasahan’i Masfà any atsinanana; nasiany ireny ka tsy navelany hisy afa-nandositra na dia iray aza.
Ny fahazavan’ny jiro tsy hamirapiratra ao aminao intsony, ary ny feon’ny mpampakatra sy ampakarina tsy ho re ao aminao intsony; satria ny mpandrantonao dia lehiben’ny tany, ary ny ody fandrebirebenao no nampivily ny firenena rehetra.
Ary nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely. Izy ireo nanompo ny Baala sy ny Astarte, ny andriamanitr’i Siria, ny andriamanitr’i Sidona, ny andriamanitr’i Moaba, ny andriamanitry ny taranak’i Amôna, ary ny andriamanitry ny Filistinina, ary nandao an’i Iaveh sy tsy nanompo Azy intsony.