Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 23:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Koa fahavoazana moa izato manjo anao, ry Tsidôna, tanàna mimanda eo amoron-dranomasina! Fa hoy indrindra ny ranomasina hoe: «Laviko ny hihetsi-jaza na hiteraka, laviko ny hitaiza zazalahy na hanabe tovovavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Aoka ho menatra ianao, ry Sidona! Fa hoy ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina hoe: Tsy nihetsi-jaza aho, tsy niteraka aho, tsy nitaiza zatovo aho na namelona virijiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Koa fahavoazana moa izato manjo anao, ry Tsidôna, tanàna mimanda eo amoron-dranomasina! Fa hoy indrindra ny ranomasina hoe: «Laviko ny hihetsi-jaza na hiteraka, laviko ny hitaiza zazalahy na hanabe tovovavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Aoka ho safotry ny henatra ianao, ry Sidona, fa efa niteny ny ranomasina, ny trano mimanda eo amin’ny ranomasina, nanao hoe: «Tsy mba nihetsi-jaza aho na niteraka, tsy mba namelona zatovo aho, na nitaiza virjiny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Aoka ho menatra hianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, Tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Aoka ho menatra ianao, ry Sidona! Fa hoy ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina hoe: Tsy nihetsi-jaza aho, tsy niteraka aho, tsy nitaiza zatovo aho na namelona virijiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 23:4
12 Rohy Ifampitohizana  

I Kanahàna no rain’i Tsidôna lahimatoany sy i Heta


ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà.


–ireo mpanjaka rehetra tao Tiro sy tao Tsidôna ary tao amin’ny tany amorontsiraka any ampitan-dranomasina any;


Avy eo dia alefaso any amin’ny mpanjakan’i Edôma sy ny mpanjakan’i Môaba ary ny mpanjakan’ny Hamônita mbamin’ny mpanjakan’i Tiro sy ny mpanjakan’i Tsidôna ireny. Ampitondray ireo masoivohony tonga eto Jerosalema mba hihaona amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda ireny zioga ireny;


«Ry ilay taranak’olombelona, mitodiha manandrify ny tanàna Tsidôna, ary ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako azy.


Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hirotsaka hamely anao Aho, ry Tsidôna, ary homem-boninahitra eo afovoanao. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO, rehefa hampihariko aminao ny didim-pitsarako ary hasehoko eo aminao ny maha Andriamanitra masina Ahy.


Natolotry ny TOMPO teo an-tanan’ny Israelita ireo ka resiny, nenjehiny nianavaratra hatrany Sidôna tanàn-dehibe sy hatrany Misrefôta-Maîma ary hatrany amin’ny lohasahan’i Mitsepà any atsinanana. Nasian’ny Israelita ireo ka tsy nisy niangana.


Tsy hamiratra ao aminao intsony ny fahazavan’ny jiro; tsy ho re ao aminao intsony ny feon’ny mpivady vao. Satria ny mpandrantonao no efa mpifehy ny tany, sady ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.


Ary mbola nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita ka nanompo ny Bahala sy Hastarôta andriamani-tsiizy, mbamin’ny andriamanitry ny Sirianina sy ny Tsidônianina na ny andriamanitry Môabita sy ny Hamônita ary ny Filistinina; fa nandao ny TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra