Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza, ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra dia niantso an’i Agara nanao hoe: «Fa maninona izato ianao, ry Agara? Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza, ao amin’ny toerana misy azy.
Isaia 22:1 - Baiboly Katolika Faminaniana ny amin’i Lohasahan’ny fahitana. Maninona ity ianao, no miakatra ambony tafon-trano avokoa, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny loza hanjo ny Lohasahan’ny Fahitana. Nahoana re ianao no niakatra niaraka tamin’ny olonao rehetra ho eny an-tampon-trano, DIEM PROTESTANTA Hafatra momba ny lohasahan’ny fahitana. Fa inona ity mahazo anareo no miakatra eny an-tampon-trano, ry mponin’i Jerosalema? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hafatra momba ny lohasahan’ny fahitana. Fa inona ity mahazo anareo no miakatra eny an-tampon-trano, ry mponin’i Jerosalema? Baiboly Protestanta Malagasy FAMINANIANA ny amin’ny Lohasahan’ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo, No dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa hianareo, Malagasy Bible Faminaniana ny amin'ny lohasahan'ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa ianareo, La Bible en Malgache Ny loza hanjo ny Lohasahan’ny Fahitana. Nahoana re ianao no niakatra niaraka tamin’ny olonao rehetra ho eny an-tampon-trano*, |
Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza, ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra dia niantso an’i Agara nanao hoe: «Fa maninona izato ianao, ry Agara? Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza, ao amin’ny toerana misy azy.
Hoy ny mpanjaka taminy: «Maninona ianao?» Hoy ravehivavy: «Mpitondra tena aho, fa maty ny vadiko.
Hoy koa ny mpanjaka taminy: «Maninona ianao?» Dia hoy ilay vehivavy: «Ravehivavy ity no nanao tamiko hoe: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, fa ny ahy kosa hohanintsika rahampitso.
Maninona ity ianao no mandositra, ry ranomasina? ary ity ianao no mianòtra miverina, ry Jordany?
I Jerosalema mirehitra tendrombohitra manodidina azy: i Iaveh manodidina ny vahoakany toy izany koa, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Rehefa tsy misy fahitana intsony tsy misy mahafehy ny vahoaka. Sambatra izay mitandrina ny lalàna.
Eny an-dalam-be izy ireo mitafy lasàka; eny ambony tafon-trano sy eny an-kianja izy, minaonaona avokoa, mijoy ranomaso daholo.
Fa andron’ny tabataba, fanosihosena, fahaverezan-kevitra ity, ka nalefan’ny Tompo Iavehn’ny tafika, ho any amin’ny Lohasahan’ny fahitana; ravana ny manda, misy dradradradra re eny an-tendrombohitra eny.
Ny trano ao Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’i Jodà, ho tonga sahala amin’ity fitoeran’i Tofeta ity, dia maloto; dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanidìnana fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa.
Ary izao kosa no momba anao, ry mponina ao an-dohasaha, ry vatolampin’ny tany lemaka, - teny marin’i Iaveh, - ianao izay manao hoe: Zovy moa no hidina atỳ aminay, sy hiditra atỳ amin’ny fierenay?
Hiditra amin’ity tanàna ity ny Kaldeanina izay mamely azy; ka handrendrika ity tanàna ity izy, dia handoro azy mbamin’ny trano nanaterana emboka manitra ho an’i Baala teo ambonin’ny tafony, sy nandrarahany fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa, mba hampahatezitra Ahy.
noho ny ratsy rehetra nataon’ny zanak’i Israely sy ny zanak’i Jodà mba hampahatezitra Ahy, dia izy ireo, ny mpanjakany, ny mpanapaka azy, ny mpisorony ama-mpaminaniny, ny lehilahy amin’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema.
Eny ambony tafon-trano rehetra sy eny amin’ny kianja ao Moaba, tsy misy afa-tsy figogogogoana fotsiny; fa nomontsaniko i Moaba hoatra ny fanaka tsy ahoan’ny olona intsony, - teny marin’i Iaveh. -
Koa alina no ho azonareo ho solon’ny fahitana; ary haizina ho solon’ny faminaniana; ny masoandro hilentika amin’ny mpaminany ary ny andro ho maizina amin’izy ireo.
Ireo miankohoka eny ambonin’ny tafon-trano, eo anatrehan’ny tafiky ny lanitra; sy ireo miankohoka manao fianianana amin’i Iaveh, sady mianiana amin’ny mpanjakany;
Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano;
Azo lazaina fa be ihany: voalohany, izy no nametrahana ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra.
«Raha manao trano vaovao ianao, dia asio arofanina manodidina ny tafon-tranonao mba tsy hanisy ra amin’ny tranonao ianao, raha sendra misy olona mianjera avy aminy.
Nantsoantsoin’izy ireo avy atỳ aoriana ny taranak’i Dana, ka niherika sy nanao tamin’i Mikasy hoe: «Inona no ilainao no nanangona olona toy izao ianao?»
Ary indro fa tonga avy any an-tsaha, nandroaka ny ombiny i Saola tamin’izay, ka hoy i Saola hoe: «Maninona ity vahoaka no mitomany?» Dia nambaran’ny olona azy ny voalazan’ny olona avy any Jabesy.
Nanao ny fanompoana tamin’i Iaveh teo anatrehan’i Helì, i Samoela kely. Nahàlana ny tenin’i Iaveh tamin’izany andro izany, ary vitsy ny fahitana.