Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Samoela 3:1 - Baiboly Katolika

1 Nanao ny fanompoana tamin’i Iaveh teo anatrehan’i Helì, i Samoela kely. Nahàlana ny tenin’i Iaveh tamin’izany andro izany, ary vitsy ny fahitana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Nanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO teo anatrehan’i Ely i Samoela zaza. Tamin’izany andro izany dia nahalana ny tenin’NY TOMPO ary tsy nisy fahitana niseho loatra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Fa i Samoela kely kosa nanompo ny TOMPO teo ambany fitantanan’i Helỳ. Tamin’izany fotoana izany, dia efa nahalana ny fitenenan’ny TOMPO mivantana tamin’olona ary efa vitsy koa ny fahitana avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Fa i Samoela kely kosa nanompo ny TOMPO teo ambany fitantanan’i Helỳ. Tamin’izany fotoana izany, dia efa nahalana ny fitenenan’ny TOMPO mivantana tamin’olona ary efa vitsy koa ny fahitana avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah teo anatrehan’i Ely. Ary tamin’izany andro izany efa nahàlana ny tenin’i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely. Ary tamin'izany andro izany efa nahàlana ny tenin'i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Samoela 3:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Ny famantaranay, tsy hitanay intsony; ny mpaminany, tsy misy intsony; ary tsy misy aminay mahalala mandra-pahoviana no...


Rehefa tsy misy fahitana intsony tsy misy mahafehy ny vahoaka. Sambatra izay mitandrina ny lalàna.


Hataoko mahalana mihoatra noho ny volamena madio, ny olombelona; mahalana mihoatra noho ny volamena avy any Ofira.


Ho avy ny loza tsindrian-doza, sy filazana vaovao tsindriam-pilazana; ka hitady fahitana amin’ny mpaminany izy ireo; ary tsy ho eo amin’ny mpisorona ny lalàna, na ny torohevitra eo amin’ny loholona.


Dia nandeha i Elkanà nody tany an-tranony any Ramà; ary ny zaza nijanona nanompo an’i Iaveh teo anatrehan’i Helì, mpisorona.


Nanao ny fanompoana teo anatrehan’i Iaveh i Samoela, ary efôda rongony no natafiny ny zaza.


Ary hanangana mpisorona mahatoky Aho, izay hanao araka ny foko sy ny fanahiko ary hanorenako trano mafy orina izy, ary handeha eo anatrehan’ny voahosotro mandrakizay.


Ka ho avy hiankohoka eo anatrehany avokoa izay sisa tavela amin’ny taranakao, hangataka lela-vola na sombi-mofo kely, ary hiteny hoe: Raha sitrakao mba omeo anjara kely eo amin’ny raharaham-pisoronana aho, mba hahazoako mofo kely hohanina.»


Dia mbola nandry mandra-paharainan’ny andro i Samoela vao namoha ny varavaran’ny tranon’i Iaveh. Ary natahotra i Samoela ny hilaza ny fahitany tamin’i Helì.


Ary i Iaveh nanohy ny fisehoany tao Silao, fa niseho tamin’i Samoela tao Silao i Iaveh, tamin’ny tenin’i Iaveh.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra