Isaia 2:7 - Baiboly Katolika Feno volafotsy sy volamena ny taniny, ary ny rakitra ao aminy tsy misy fetra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 feno volafotsy sy volamena ny taniny, tsy hita lany ny harenany, feno soavaly ny taniny ary tsy hita isa ny kalesy fitondrany miady. DIEM PROTESTANTA Feno volafotsy sy volamena ny taniny sady tsy hita lany ny hareny; ary feno soavaly ny taniny sady tsy hita isa ny kalesiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Feno volafotsy sy volamena ny taniny sady tsy hita lany ny hareny; ary feno soavaly ny taniny sady tsy hita isa ny kalesiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena, Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny; Malagasy Bible Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny; La Bible en Malgache feno volafotsy sy volamena ny taniny, tsy hita lany ny harenany, feno soavaly ny taniny ary tsy hita isa ny kalesy fitondrany miady. |
Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony i Iaveh; hihaino azy Izy any an-danitra, fonenany masina, amin’ny famonjena mahery hataon’ny tanany ankavanana.
Nefa tsy nety ianareo, fa hoy ianareo: «Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay.» - Eny hoe, handositra ianareo. - «Himaona mitaingina ny soavaly faingan-tongotra izahay.» Eny iky, fa ho faingana kokoa izay hanenjika anareo.
Loza ho an’ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta; miantehitra amin’ny soavaly, ary mitoky amin’ny kalesy, noho ny hamaroan’ireny, sy amin’ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka; nefa ilay Masin’i Israely tsy mba andrandrainy; ary i Iaveh tsy tadiaviny.
Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra Aho ary namely azy noho ny fahatezerako, nefa miery tsy ho hita Aho; ary izy kosa maditra, nanaraka ny lalan’ny sitrapony!...
Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo, ka miverena amin’i Iaveh, lazao aminy hoe: Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara. Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy ny teny avy amin’ny molotray.
Satria ny firenena rehetra nisotro ny divaim-pahatezerana noho ny fijangajangany; ny mpanjakan’ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpivarotra etỳ an-tany nahazo harena tamin’ny filibàny amin’ny zava-mahafinaritra azy nihoa-pampana.»