Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 30:16 - Baiboly Katolika

16 Nefa tsy nety ianareo, fa hoy ianareo: «Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay.» - Eny hoe, handositra ianareo. - «Himaona mitaingina ny soavaly faingan-tongotra izahay.» Eny iky, fa ho faingana kokoa izay hanenjika anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Fa hoy kosa ianareo: Tsia! Handositra an-tsoavaly izahay! Noho izany dia handositra tokoa ianareo. Hoy koa ianareo: Hitaingina ny haingam-pandeha izahay! Dia ho haingam-pandeha koa ny mpanenjika anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 fa mamaly hoe: «Tsia, fa hiriotra izahay, hiriotra mitaingin-tsoavaly izahay.» Koa hitaingin-tsoavaly tokoa ianareo, saingy hitsoaka handositra. Hoy koa ianareo hoe: «Haingam-pandeha ny kalesy hitaingenanay.» Eny, kanefa ireo mpanenjika anareo dia vao mainka ho haingam-pandeha kokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 fa mamaly hoe: «Tsia, fa hiriotra izahay, hiriotra mitaingin-tsoavaly izahay.» Koa hitaingin-tsoavaly tokoa ianareo, saingy hitsoaka handositra. Hoy koa ianareo hoe: «Haingam-pandeha ny kalesy hitaingenanay.» Eny, kanefa ireo mpanenjika anareo dia vao mainka ho haingam-pandeha kokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Fa hoy kosa hianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa hianareo; Ary hoy hianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Fa hoy kosa ianareo: Tsia! Handositra an-tsoavaly izahay! Noho izany dia handositra tokoa ianareo. Hoy koa ianareo: Hitaingina ny haingam-pandeha izahay! Dia ho haingam-pandeha koa ny mpanenjika anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 30:16
20 Rohy Ifampitohizana  

Nenjehin’ny tafiky ny Kaldeanina ny mpanjaka, ka tratrany teo an-tany lemak’i Jerikô; dia niparitaka lavitra azy ny tafiny rehetra.


Hitokianao va izy satria matanjaka tokoa, ka havelanao hanao ny asanao va?


Tsy ny herin’ny soavaly no ankasitrahiny, na ny tongotr’olombelona no mahafinaritra Azy,


ny soavaly tsy vanon-kampahazo famonjena; ary ny havitrihany rehetra tsy ahazoana antoka amin’ny fahafahana.


Feno volafotsy sy volamena ny taniny, ary ny rakitra ao aminy tsy misy fetra;


Loza ho an’ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta; miantehitra amin’ny soavaly, ary mitoky amin’ny kalesy, noho ny hamaroan’ireny, sy amin’ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka; nefa ilay Masin’i Israely tsy mba andrandrainy; ary i Iaveh tsy tadiaviny.


Ny Ejiptianina dia olombelona ihany, fa tsy fanahy; dia haninji-tanana i Iaveh, ka ho tafintohina izay manampy, ho potraka izay hampiana, ary hiara-devona avokoa izy roa tonta.


Nony nahita azy ireo i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny lehilahy mpiady rehetra, dia nandositra sy nivoaka ny tanàna tamin’ny alina, nihazo ny lalan’ny zaridainan’ny mpanjaka, teo amin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa izy, dia niditra ny lalana mankany amin’ny tany lemaka.


Indro izy miakatra toy ny rahona; tahaka ny tadio ny kalesiny; miriotra faingana mihoatra noho ny voromahery ny soavaliny. Loza ho antsika fa ringana isika ity!


Ny faingan-tongotra, aza afa-mandositra! ny lehilahy mahery fo, aza afa-mitsoaka! Any amin’ny tany avaratra, amoron’ny ony Eofrata, indro izy mivembena dia lavo.


dia nobangaina ny tanàna, ka vaky nandositra avokoa ny lehilahy mpiady; alina no nivoahany tao an-tanàna, tamin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, akaikin’ny sahan’ny mpanjaka; raha ilay voahodidin’ny Kaldeanina iny ny tanàna, dia nihazo ny lalan’ny tany lemaka izy.


Izay nanenjika antsika dia faingam-pandeha, noho ny voromahery eny an-danitra. Notanahiny teny an-tendrombohitra isika; nanaovany otrika tany an’efitra.


Nahita ny Tompo nitsangana teo akaikin’ny ôtely aho, ka hoy izy: «Asio ny koronosy, ary aoka hihozongozona ny tokonana; dia torotoroy izy mamely ny lohan’izy rehetra! Ary izay sisa dia hovonoiko amin’ny sabatra; tsy hisy ho afaka, tsy hisy ho afa-mandositra.


Afehezo amin’ny kalesy ny soavaly, ry kala mponina ao Lakisa; fiandohan’ny fahotana ho an’ny zanaka vavin’i Siôna, no nahitana ny helok’i Israely ao aminao.


Mailaka noho ny leoparda ny soavaliny, sady liana noho ny amboadia amin’ny hariva. Mampiriotra ny mpitaingin-tsoavaliny; avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny, manidina toy ny voromahery lian-te hihinana.


Hataon’i Iaveh resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao, lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao eo anoloany, ary ho zavatra mahatsiravina ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ianao.


Firenena avy lavitra, avy amin’ny fara vazantany, faingam-pandeha hoatra ny fanidin’ny voromahery, firenena tsy azonao veroka akory no hampandehanin’i Iaveh hamely anao;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra