Nisy vaovao ren’ny mpanjakan’i Asiria ny amin’i Tarakà, mpanjakan’i Etiôpia, dia nolazaina taminy fa hoe: «Indro niainga hiady aminao izy.» Ary nandefa iraka ho any amin’i Ezekiasa indray izy nanao hoe:
Isaia 18:1 - Baiboly Katolika Eh, ry tany izay andrenesana ny fisasasasan’ny elatra, any an-dafin’ny onin’i Kosa, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Loza! Ry tany alokalofan’ny elatra, izay any andafin’ny onin’i Kosy, DIEM PROTESTANTA Lozanao, ry tany misy ireo lakana manana elatra izay manara-morona ny onin’i Etiôpia! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lozanao, ry tany misy ireo lakana manana elatra izay manara-morona ny onin’i Etiôpia! Baiboly Protestanta Malagasy INDRISY ny tany be fibiziziokan’elatra! Izay any an-dafin’ny onin’i Etiopia, Malagasy Bible Indrisy ny tany be fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia, La Bible en Malgache Loza! Ry tany alokalofan’ny elatra, izay any andafin’ny onin’i Kosy, |
Nisy vaovao ren’ny mpanjakan’i Asiria ny amin’i Tarakà, mpanjakan’i Etiôpia, dia nolazaina taminy fa hoe: «Indro niainga hiady aminao izy.» Ary nandefa iraka ho any amin’i Ezekiasa indray izy nanao hoe:
Tahaka ny tendrombohitr’Andriamanitra ny hatsaram-ponao, toy ny hantsana lehibe indrindra ny fitsarànao. Ry Iaveh, samy tandremanao ny olona sy ny biby.
Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava . Hiran’i Davida, fony izy nenjehin’i Saola, niery tao amin’ny zohy.
Raha mieritreritra Anao eo am-pandriako aho, dia any aminao ny saiko mandritra ny fiambenana alina.
Hanarona anao amin’ny elany Izy, ary hahita fialofana ao ambany volon’elany, ianao. Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.
Loza ho an’ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta; miantehitra amin’ny soavaly, ary mitoky amin’ny kalesy, noho ny hamaroan’ireny, sy amin’ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka; nefa ilay Masin’i Israely tsy mba andrandrainy; ary i Iaveh tsy tadiaviny.
Ary nandre vaovao ny mpanjakan’i Asiria ny amin’i Tharakà, mpanjakan’i Etiôpia, fa hoy ny olona taminy: «Efa niainga izy io hanafika anao.» Nony vao nandre izany izy, dia nandefa iraka ho any amin’i Ezekiasa, hanao hoe:
Izao no lazain’i Iaveh: «Ny vokatra azon’i Ejipta, ny tombony azon’i Etiôpia, sy ny Sabeanina olona lava tsanganana, dia samy ho tonga ao aminao sy ho anao, fa izy ireo dia hanaraka anao; ho tonga am-patorana sy hiankohoka eo anatrehanao, ary hifompona aminao, hanao hoe: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy ato aminao, ka tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra hafa iray akory!»
Amin’izany andro izany, hisy iraka avy amin’ny Anarako handeha an-dakana hampitebiteby an’i Etiôpia izay mitoetra tsy amin’ahiahy, ka hisy fanahiana lehibe any aminy, toy ny tamin’ny andron’i Ejipta, fa indro tonga izy io.
Avy any an-dafin’ny onin’i Etiôpia ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko, hitondra ny fanatitra ho Ahy.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany, fa tsy nety ianao?
Hamaly ny nataonao anie i Iaveh ary ho valisoa feno anie no horaisinao avy amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa efa eo ambany elany no nalehanao hialofana.»