Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 37:9 - Baiboly Katolika

9 Ary nandre vaovao ny mpanjakan’i Asiria ny amin’i Tharakà, mpanjakan’i Etiôpia, fa hoy ny olona taminy: «Efa niainga izy io hanafika anao.» Nony vao nandre izany izy, dia nandefa iraka ho any amin’i Ezekiasa, hanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary nandre vaovao mikasika an’i Tiraka mpanjakan’i Kosy i Sankeriba hoe: Avy hiady aminao izy. Nony nandre izany izy dia nandefa iraka ho any amin’i Hezekia ary niteny hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Kanjo henon’i Saneheriba fa efa an-dalana hamely azy i Tirihakà mpanjakan’i Etiôpia; koa rehefa nahare izany izy, dia naniraka hankany amin’i Hezekià

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Kanjo henon’i Saneheriba fa efa an-dalana hamely azy i Tirihakà mpanjakan’i Etiôpia; koa rehefa nahare izany izy, dia naniraka hankany amin’i Hezekià

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary ren’i Sankeriba ny amin’i Tiraka, mpanjakan’i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin’i Hezekia nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin'i Hezekia nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ary nandre vaovao mikasika an’i Tiraka mpanjakan’i Kosy i Sankeriba hoe: Avy hiady aminao izy. Nony nandre izany izy dia nandefa iraka ho any amin’i Hezekia ary niteny hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 37:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Nandefa iraka nankao an-tanàna, ao amin’i Akaba, mpanjakan’i Israely izy, hilaza aminy hoe: «Izao no tenin’i Benadaba:


Inona no havaly ireo iraky ny firenena? Izao: «I Iaveh no nanorina an’i Siôna, ka mahita fialofana ao izay ory amin’ny vahoakany».


Eh, ry tany izay andrenesana ny fisasasasan’ny elatra, any an-dafin’ny onin’i Kosa,


Ary hoy i Iaveh: «Toy ny nandehanan’i Izaia, mpanompoko, tsy nitafy, tsy nikiraro, fa famantarana amam-pambara mandritra ny telo taona, ho an’i Ejipta sy i Etiôpia izy,


Ka ho rera-po sy hangaihay izy ireo amin’izay, noho ny amin’i Etiôpia, nataony hiankinana, sy noho ny amin’i Ejipta, nataony rehareha.


Fa indro Aho, manisy fanahy ao anatiny, hany ka noho ny vaovao hampandrenesina azy dia hiverina ho any amin’ny taniny izy, dia hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra