Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 37:10 - Baiboly Katolika

10 «Izao no holazainareo amin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà ataovy hoe: Aza mety hofitahin’ny Andriamanitrao, izay itokianao ianao, ataony hoe: ‹Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Izao no holazainareo amin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda: Aza mety hofitahin’ny Andriamanitrao izay itokianao ianao, hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 mpanjakan’i Joda indray izy, mba hitondra izao hafatra izao: «Aoka tsy ho voafitaky ny Andriamanitra itokianao ianao amin’ny filazany fa i Jerosalema dia tsy hatolotra ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 mpanjakan’i Joda indray izy, mba hitondra izao hafatra izao: «Aoka tsy ho voafitaky ny Andriamanitra itokianao ianao amin’ny filazany fa i Jerosalema dia tsy hatolotra ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Izao no holazainareo amin’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda: Aza mety hofitahin’ny Andriamanitrao Izay itokianao hianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan’ny mpanjakan’i Asyria.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Izao no holazainareo amin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda: Aza mety hofitahin’ny Andriamanitrao izay itokianao ianao, hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 37:10
11 Rohy Ifampitohizana  

I Iaveh Andriamanitr’i Israely no nitokiany, koa dia tsy nisy tahaka azy tamin’ny mpanjakan’i Jodà rehetra, na ny tatỳ aoriany, na ny tany alohany.


Izay rehetra mahita ahy, manaraby ahy avokoa; misoka-molotra izy ary mihifikifi-doha:


Izao no lazain’ny mpanjaka: Aza mety hofitahin’i Ezekiasa ianareo, fa tsy hahavonjy anareo izy.


Ary aza mety hotaritin’i Ezekiasa hatoky an’i Iaveh, hataony hoe: Hamonjy antsika tokoa i Iaveh, ary tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria ity tanàna ity.


Iza tamin’ireo andriamanitry ny firenena rehetra ireo no nahavonjy ny taniny tamin’ny tanako, no hahavonjen’i Iaveh an’i Jerosalema amin’ny tanako?


Hoy ny lehiben’ny mpandroso divay tamin’izy ireo: «Mba lazao kely amin’i Ezekiasa izao: Izao no tenin’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria: Avy aiza no nahazoanao toky iankinanao toy izao? Hoy izaho: Teny foana izany fikasana aman-kery hoenti-miantafika izany.


Nihaika Ahy ianareo tamin’ny lahateninareo; sady nanamaro ny teninareo, namely Ahy. Izaho kosa efa nandre izany!


Natoky an’Andriamanitra Izy, ka raha tia Azy Andriamanitra dia aoka hanafaka Azy ankehitriny, satria Zanak’Andriamanitra Aho, hoy ny filàzany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra