Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 18:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Lozanao, ry tany misy ireo lakana manana elatra izay manara-morona ny onin’i Etiôpia!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Loza! Ry tany alokalofan’ny elatra, izay any andafin’ny onin’i Kosy,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Lozanao, ry tany misy ireo lakana manana elatra izay manara-morona ny onin’i Etiôpia!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Eh, ry tany izay andrenesana ny fisasasasan’ny elatra, any an-dafin’ny onin’i Kosa,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 INDRISY ny tany be fibiziziokan’elatra! Izay any an-dafin’ny onin’i Etiopia,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Indrisy ny tany be fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Loza! Ry tany alokalofan’ny elatra, izay any andafin’ny onin’i Kosy,

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 18:1
18 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo rehefa henon’i Saneheriba fa efa an-dalana hamely azy i Tirihakà mpanjakan’i Etiôpia, dia naniraka hankany amin’i Hezekià


Tandremo toy ny anakandriamaso aho ka afeno sy arovy eo ambany elatrao


Avo toy ireo tendrombohitra ny fahamarinanao; lalina toy ny ranomasina izany fitsarànao. TOMPO ô, samy vonjenao na olombelona na biby.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe «Aza ravana....» Salamo nataon’i Davida fony izy nandositra lavitra an’i Saoly ka niery tao anaty zohy.


Ianao no fialofana ho ahy, tilikambo mafy anoloan’ny fahavalo.


Eo am-pandriana aho mahatsiahy Anao; tontolo alina, any aminao ny eritreritro


Harovany amin’ny elany ianao; eo ambany elany no hialofanao tahaka ny zanak’akoho eo ambany ela-dreniny. Ny fahamarinany no ampinga fiarovana,


Lozan’izay midina any Ejipta mba hitady famonjena! Ny soavaly no ianteherany; ny kalesy no itokiany satria maro ireny; ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy, satria mahery tokoa ireny; fa tsy andrandrainy akory ilay Masin’i Israely ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.


Kanjo henon’i Saneheriba fa efa an-dalana hamely azy i Tirihakà mpanjakan’i Etiôpia; koa rehefa nahare izany izy, dia naniraka hankany amin’i Hezekià


Izao, ry vahoaka Israely, no lazain’ny TOMPO aminao: Ny vokatry ny asan’ny Ejiptianina, ny tombom-barotry ny Etiôpianina sy ny an’ireo olona ranjanana avy any Seba dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao. Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao ary hiankohoka handady eo anatrehanao sady hivavabavaka hifona aminao hoe: «Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery.»


Amin’izany andro handravako an’i Ejipta izany, dia hisy iraka avy amiko handeha an-tsambo hampandre ny Etiôpianina; ka izy no hampatahotra sy hampangorohoro ny Etiôpianina izay mitoetra tsy manahy. Eny, indro avy izany andro izany.


«Ianareo koa, ry Etiôpianina, hoy ny Tompo, hovonoiko amin’ny ady ianareo».


Eny fa hatrany an-dafin’ny onin’i Etiôpia ireo mpivavaka amiko izay naeliko no ho avy hitondra fanatitra ho Ahy.»


–Ry Jerosalema, ry Jerosalema! Ianao izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato ireo irahin’Andriamanitra aminao. Efa impiry moa Aho no nikasa hanangona ny mponina ao aminao, tahaka ny reniakoho manomba ny zanany, kanefa tsy nety ianareo.


Ny TOMPO anie hamaly soa ny nataonao, ka hisy valisoa mitafotafo ho anao avy amin’ny TOMPO Andriamanitr’Israely satria tonga hialoka eo ambany fiarovany ianao!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra