Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 16:3 - Baiboly Katolika

Aoka ianao hanoro hevitra anay, hanelanelana anay; hanome aloka anay, toy ny amin’ny alina, amin’ny mitatao vovonana; hanafina ny enjehina, tsy hanondro ny mandositra!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Manolora saina, mandraisa fanapahan-kevitra, ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin’ny andro mitataovovonana aza; afeno izay voaroaka ary aza aseho izay mandositra!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nangataka tamin’i Jerosalema ny Môabita hoe: «Manaova fivoriana ary manapaha hevitra. Izao antoandro be izao ny fiarovanao dia ataovy mihanaka aminay toy ny ampielezan’ny alina ny haizina; ka afeno ireo olona voaroaka ary aza aseho ireo mandositra avy atỳ aminay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nangataka tamin’i Jerosalema ny Môabita hoe: «Manaova fivoriana ary manapaha hevitra. Izao antoandro be izao ny fiarovanao dia ataovy mihanaka aminay toy ny ampielezan’ny alina ny haizina; ka afeno ireo olona voaroaka ary aza aseho ireo mandositra avy atỳ aminay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Manolora saina, manomeza rariny, Ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin’ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Manolora saina, mandraisa fanapahan-kevitra, ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin’ny andro mitataovovonana aza; afeno izay voaroaka ary aza aseho izay mandositra!

Jereo ny toko



Isaia 16:3
18 Rohy Ifampitohizana  

fa fony i Jezabela nandringana ny mpaminanin’i Iaveh, dia naka mpaminany zato izy, nafeniny, nataony dimampolo avy, tany anaty zohy, novelominy mofo sy rano, tany.


mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.


Ianao no trano mimanda ho an’ny osa, trano mimanda ho an’ny mahantra anatin’ny fahoriany, fialofana amin’ny hainandro midaindaina, fa ny fifofofon’ny mpanao jadon’ny mpanjaka dia toy ny ranonoram-baratra miantonta amin’ny ampiantany.


Ka izy ireo dia samy ho fiarovana amin’ny rivotra; ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; tahaka ny ranovelona amin’ny tany karankaina; tahaka ny alo-batolampy eo amin’ny tany foana.


- teny marin’i Iaveh Tompo - izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely! Mbola hamory ny sasany koa Aho ho eo aminy, hanampy ireo efa voavory sahady.


Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao?


mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.


ry taranak’i Davida: Izao no lazain’i Iaveh: Manaova fitsarana marina, hatramin’ny maraina; afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna, fandrao mipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako, ka hirehitra tsy ho azon’olona vonoina, noho ny haratsian’ny ataonareo.


Izao no lazain’i Iaveh: «Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo; afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna: ny vahiny, ny kamboty, ama-mpitondratena; dia aza ratsy fitondra azy na manao an-keriny aminy, na mandatsa-dra tsy manan-tsiny amin’ity tany ity ianareo.


Izao no nolazain’i Iavehn’ny tafika: «Manaova fitsarana marina; samia mamindra fo sy miantra ny namany avy,


Fa noana Aho nomenareo hanina, nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina, nivahiny Aho nampiantranoinareo,


Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahalala azy.


Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo: Raha marina tokoa àry, fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka, dia avia ianareo, ka mialofa amin’ny alokaloko, fa raha tsy izany, aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan’i Libàna.