Endrey izany fihahohahom-bahoaka be! Mirohondrohona toy ny firohondrohon’ny ranomasina izy ireo. firohondrohom-pirenena re izany!
Isaia 13:4 - Baiboly Katolika Injany re ny horakoraka any an-tendrombohitra, toa hahohahom-bahoaka be; injany re ny tabataban’ny fanjakana, ny firenena tafavory: i Iavehn’ny tafika izany mampanao matso ireo miaramilany mpiantafika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Injany ny horakoraka any an-tendrombohitra! Tahaka ny an’ny vahoaka marobe! Ny tabataba ataon’ireo fanjakana, ireo firenena maro tafatambatra! Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no misafo tafika hiady. DIEM PROTESTANTA Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra fa toy ny feon’ny vahoaka marobe. Henoy izany fitabatabana ataon’ny fanjakana sy firenena maro tafavory: ny TOMPOn’izao rehetra izao no misafo ny andian-tafika hiady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra fa toy ny feon’ny vahoaka marobe. Henoy izany fitabatabana ataon’ny fanjakana sy firenena maro tafavory: ny TOMPOn’izao rehetra izao no misafo ny andian-tafika hiady. Baiboly Protestanta Malagasy Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, Tahaka ny an’ny vahoaka be! Dia ny fitabataban’ny fanjakan’ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon’ny maro, no manomana miaramila hiady, Malagasy Bible Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an'ny vahoaka be! Dia ny fitabataban'ny fanjakan'ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon'ny maro, no manomana miaramila hiady, La Bible en Malgache Injany ny horakoraka any an-tendrombohitra! Tahaka ny an’ny vahoaka marobe! Ny tabataba ataon’ireo fanjakana, ireo firenena maro tafatambatra! Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no misafo tafika hiady. |
Endrey izany fihahohahom-bahoaka be! Mirohondrohona toy ny firohondrohon’ny ranomasina izy ireo. firohondrohom-pirenena re izany!
Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza tamin’ireny no mba efa nilaza izany? Ilay tian’i Iaveh dia hanatanteraka ny sitrapony amin’i Babela, ary ny sandriny hamely ny Kaldeanina. -
Manangan-tsaina ho an’ireo firenena lavitra Izy; ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran’ny tany. dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka.
Amin’izany andro izany hisy rohondrohona hihatra amin’ny vahoaka, tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina. Hijery ny tany ny olona ka indro haizina no eo! Tebiteby mafy sy mivelatra hanarona ny lanitry ny faritany ny haizina.
Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Indro, ny fiadiana eny an-tananareo, entinareo miady any ivelan’ny manda, amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina, izay manao fahirano anareo, dia hataoko miverina any aoriana sy hangoniko eo afovoan’ny tanàna;
Fa hampanompoin’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe kosa indray izy ireo, ka dia hovaliako araka ny nataony sy ny asan’ny tanany avy.
Honerako aminareo ny taona nolevonin’ny valala sy ny ieleka ary ny kasila sy ny gazàna, izay tafiko lehibe efa nalefako hamely anareo.
Noho izany kosa, indray hiantonta aminy indray andro monja ny lozany, dia fahafatesana, fisaonana, mosary, ary fandevonan’ny afo ny tenany, satria mahery Andriamanitra Izay hitsara azy.