Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 25:14 - Baiboly Katolika

14 Fa hampanompoin’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe kosa indray izy ireo, ka dia hovaliako araka ny nataony sy ny asan’ny tanany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa ireo kosa indray dia hanompo firenena maro sy mpanjaka lehibe maro; ary hovaliako araka ny nataony sy araka ny asan’ny tanany avy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Anjaran’ny Babilônianina kosa amin’izay ny hanompo firenen-dehibe sy mpanjaka mahery. Havaliko azy ny ratsy rehetra nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Anjaran’ny Babilônianina kosa amin’izay ny hanompo firenen-dehibe sy mpanjaka mahery. Havaliko azy ny ratsy rehetra nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa ireo kosa indray dia hampanompoin’ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe; ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan’ny tànany avy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa ireo kosa indray dia hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan'ny tànany avy izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 25:14
17 Rohy Ifampitohizana  

Ry zanaka vavin’i Babilôna voatolotra ho amin’ny fandringanana, sambatra izay hamaly anao, araka ny ratsy nataonao taminay.


Injany re ny horakoraka any an-tendrombohitra, toa hahohahom-bahoaka be; injany re ny tabataban’ny fanjakana, ny firenena tafavory: i Iavehn’ny tafika izany mampanao matso ireo miaramilany mpiantafika.


Ny firenena no haka azy, ka hanatitra azy hody, ary ny taranak’i Israely handray azy ireo ho an’ny tenany, ao amin’ny tanin’i Iaveh, ho mpanompo lahy ama-mpanompo vavy; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy, sy hanapaka an’ireo nampahory azy.


Injany misy kotroka sy hahohaho avy any amin’ny tanàna, ary horakoraka avy ao an-tempoly! dia ny feon’i Iaveh, mandoa ny karaman’ireo fahavalony izany.


Hotompoin’ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan’ny fotoan’ny taniny indray kosa, ka hampanompoan’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe azy.


lehibe amin’ny fisainana sy mahery amin’ny asa; ny masonao ajerinao ny lalan’ny taranak’i Adama rehetra, mba hamalianao azy, araka ny lalany avy, sy araka ny vokatry ny asany avy.


Indro misy firenena avy any avaratra; firenena lehibe, omba-mpanjaka maro, no mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.


Fa indro Aho hanainga sy handefa hamely an’i Babela ny fitambaran’ny firenena lehibe avy amin’ny tany any avaratra. Hilahatra hiady aminy ireny ka hahafaka azy avy any; ny tsipìkany dia tsipìkan’ny mpiady mahery izay tsy mba miverina mitondra tanam-polo.


Mandosira lavitra an’i Babilôna ianareo, ary samia mamonjy ny ainy! Aoka tsy ho faty noho ny fahotany ianareo fa andro famalian’i Iaveh izao; ka hamaly azy araka izay mendrika azy izy.


Tonga ny andro famaizana! Tonga ny andro fanodiavana; vetivety ho fantatr’i Israely izany. Adala ny mpaminany, ny olona tsindriam-panahy mirediredy foana, noho ny haben’ny helokao sy ny fanoheranao mafy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra