Isaia 17:12 - Baiboly Katolika12 Endrey izany fihahohahom-bahoaka be! Mirohondrohona toy ny firohondrohon’ny ranomasina izy ireo. firohondrohom-pirenena re izany! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 Loza! Ny fihahohahon’ny firenena maro izay mihahohaho tahaka ny feon’ny ranomasina; ny firohondrohon’ny olona marobe tahaka ny firohondrohon’ny rano manonja! Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA12 Andray izany firodorodon’ny vahoaka marobe toy ny fikotrokotroky ny ranomasina misafoaka! Andray izato fitrenan’ireo firenena, tahaka ny fidoboky ny onja mahery! Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 Andray izany firodorodon’ny vahoaka marobe toy ny fikotrokotroky ny ranomasina misafoaka! Andray izato fitrenan’ireo firenena, tahaka ny fidoboky ny onja mahery! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 INDRISY ny fihahohahon’ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon’ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon’ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon’ny rano manonja ny firohondrohony! Jereo ny tokoMalagasy Bible12 Indrisy ny fihahohahon'ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon'ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon'ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon'ny rano manonja ny firohondrohony! Jereo ny tokoLa Bible en Malgache12 Loza! Ny fihahohahon’ny firenena maro izay mihahohaho tahaka ny feon’ny ranomasina; ny firohondrohon’ny olona marobe tahaka ny firohondrohon’ny rano manonja! Jereo ny toko |