Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 17:13 - Baiboly Katolika

13 Mirohondrohona hoatra ny rano mahery izy. Mirohondrohona ny firenena toy ny firohondrohon’ny ranobe. Kanjo rahonany ireny, dia mandositra lavitra, dia tafaely toy ny mololo tsofin’ny rivotra eny an-kavoana, toy ny vovoka mitambolimbolina eo anoloan’ny tafio-drivotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ny ranobe ny firenena kanefa hotezerana mafy izy ka handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ny tadio.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Ny fitrenan’ireo firenena dia toy ny fitrenan’ny ranomasimbe. Nefa rahonan’ny Tompo izy ireny ka lasa mandositra lavitra, toy ny akofa paohin’ny rivotra eny an-tendrombohitra sy tahaka ny vonin-javatra atambolimbolin’ny tadio.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ny fitrenan’ireo firenena dia toy ny fitrenan’ny ranomasimbe. Nefa rahonan’ny Tompo izy ireny ka lasa mandositra lavitra, toy ny akofa paohin’ny rivotra eny an-tendrombohitra sy tahaka ny vonin-javatra atambolimbolin’ny tadio.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ny rano be ny firenena; Kanefa hotezerana mafy izy, Ka dia handositra lavitra Ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ny rivotra, Sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ny tadio.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon'ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin'ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin'ny tadio.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ny ranobe ny firenena kanefa hotezerana mafy izy ka handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ny tadio.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 17:13
33 Rohy Ifampitohizana  

Moa toa mololo indaosin’ny rivotra no ahitana azy, sy toy ny akofa paohin’ny tadio?


ka nilaza taminy hoe: ‹Hatreto alehanao, ka tsy hihoatra, fa eto no hijanona ny fianjonanjonan’ny onjanao?›


Tsy mba toy izany ny tsy mpivavaka: toy ny akofa faohin’ny rivotra izy,


Aoka hanahaka ny akofa tsofin’ny rivotra izy, ka horoahin’ny Anjelin’i Iaveh eo anatehany.


- Izy no mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny; misikina ny fahefany,


mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroaran’ny onjany, ary ny fikorontanan’ny vahoaka.-


Satria efa nataonao mahery ny rariny ananako sy ny adiko, nipetraka ho mpitsara marina Ianao, teo amin’ny seza fiandriananao.


Hanorotoro an’i Asora amin’ny taniko aho, ary hanosihosy azy eo an-tendrombohitro. Dia hoesorina amin’izy ireo ny jiogany, ary halana eo an-tsorok’izy ireo ny entany.


Fa izy nandositra teo anatrehan’ny sabatra, teo anatrehan’ny sabatra voatsoaka, teo anatrehan’ny tsipìka voahenjana, teo anatrehan’ny ady mahatsiravina.


hanasangodina anao, hanakodiadia anao mafy, hikodiavanao hoatry ny baolina, eny amin’ny tany lemaka midadasika be. Dia ho faty any ianao, ho any koa ny kalesy kantonao, ry ilay henatry ny ankohonan’ny tompony ity.


Amin’izany andro izany i Iaveh hamaly, amin’ny sabany sady lehibe no mahery, an’i Leviatàna ilay menarana faingam-pandeha, an’i Leviatàna ilay menarana miforiporitra, ka hamono ilay bibibe izay ao an-dranomasina.


Ny habetsahan’ny fahavalonao, ho tahaka ny vovoka madinika; ary ny habetsahan’ny mpiady, ho toy ny akofa manidina.


Tahaka ny riaka manafotra ny fofon’ainy; manafotra havozona, hanasivanany ny firenena amin’ny sivana fandravana, sy hanisiany lamboridy mampivily lalana eo amin’ny valanoranon’ny olona.


Tenany no nanao loka ho an’ireo, ary tanany no nizara ny tany ho azy ireo amin’ny famolaina; ka hanana izany mandrakizay ireo; ary honina ao amin’ny taona mifandimby.


Indro ny firenena fa hoatra ny rano indray mitete miraikitra amin’ny siny, heverina hoatra ny vovoka eo amin’ny mizana; indro ny nosy fa hoatra ny vovoka madinika.


Vao nambolena ireo, vao nafafy ireo, vao latsa-paka amin’ny tany ny fotony, dia tsofiny ka malazo, ary nindaosin’ny ranonoram-baratra hoatra ny vodivary.


Ho menatra sy hangaihay foana, izay rehetra misafoaka hamely anao; hanahaka ny zava-poana sy ho levona, izay mifanditra aminao.


noho izany, indro hampiakarin’ny Tompo hanafika azy ireo, ny ranon’ny ony, sady mahery no lalina, dia ny mpanjakan’i Asiria mbamin’ny heriny rehetra; ny masondranony rehetra hosaforany, ary ny morony rehetra hihoarany;


Noho izany izy ireo dia ho tahaka ny rahona maraina, ho toy ny ando amin’ny maraina malaky levona, ho tahaka ny akofa paohin’ny rivotra avy eo am-pamoloana, ary ho tahaka ny setroka mivoaka avy eo am-baravarankely.


alohan’ny hiterahan’ny biby sy hihelenan’ny andro toy ny mololo; alohan’ny hiharan’ny firehitry ny fahatezeran’i Iaveh aminareo, alohan’ny hidonan’ny andron’ny fahaviniran’i Iaveh aminareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra