Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 17:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Andray izany firodorodon’ny vahoaka marobe toy ny fikotrokotroky ny ranomasina misafoaka! Andray izato fitrenan’ireo firenena, tahaka ny fidoboky ny onja mahery!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Loza! Ny fihahohahon’ny firenena maro izay mihahohaho tahaka ny feon’ny ranomasina; ny firohondrohon’ny olona marobe tahaka ny firohondrohon’ny rano manonja!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Andray izany firodorodon’ny vahoaka marobe toy ny fikotrokotroky ny ranomasina misafoaka! Andray izato fitrenan’ireo firenena, tahaka ny fidoboky ny onja mahery!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Endrey izany fihahohahom-bahoaka be! Mirohondrohona toy ny firohondrohon’ny ranomasina izy ireo. firohondrohom-pirenena re izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 INDRISY ny fihahohahon’ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon’ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon’ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon’ny rano manonja ny firohondrohony!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Indrisy ny fihahohahon'ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon'ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon'ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon'ny rano manonja ny firohondrohony!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 17:12
21 Rohy Ifampitohizana  

Hoderaina anie ny TOMPO! Fa niantso Azy aho, dia voavonjy ho afaka amin’ny fahavaloko.


Andriamanitra be voninahitra no mampikotrokotroka ny orana; mitrena eny ambony rano ny feon’ny TOMPO: ny TOMPO no manapaka eny ambony ranobe.


Andriamanitra ô, aza mangina Ianao, aza mihenahena sy mijanom-potsiny.


Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra fa toy ny feon’ny vahoaka marobe. Henoy izany fitabatabana ataon’ny fanjakana sy firenena maro tafavory: ny TOMPOn’izao rehetra izao no misafo ny andian-tafika hiady.


Ny rariny no horaisiko ho hazo mahitsy, ary ny fahamarinana no hataoko pilao. Koa hopaohin’ny havandra ny fiarovan-tsandoka ianteheranareo ary hindaosin’ny rano ny fierenareo.


Ny fiadiana isan-karazany tefena hamelezana anao dia tsy hahomby mihitsy; ary ny olona rehetra izay miampanga anao eo anoloan’ny fitsarana dia horesenao lahatra. Izany no ho anjaran’ireo mpanompoko, ary izany no rariny hananany avy amiko.»


Mangovita ianareo, ry firenena, ka mihorohoroa fatratra! Aoka hanongilan-tsofina ianareo, ry faritra rehetra any lavitra any: hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra; eny, hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra.


Satria misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; eny an-tsorony ny mari-piandrianany, ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe: Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.


Mampirangaranga tsipîka sy lefona ireo miaramilany lozabe sady tsy mamindra fo. Mirohondrohona toy ny ranomasina ny feony. Mitaingin-tsoavaly izy ary milahatra toy ny andian-tafika hiady mba hamely anao, ry Tsiôna.


Koa hitako tonga avy any atsinanana ny voninahitr’ilay Andriamanitr’i Israely; narahina feo tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina izany ary nanazava ny tany tamin’ny famirapiratany.


«Hitako tamin’ny fahitana tamin’ny alina, fa indro ny rivotra avy amin’ny vazan-tany efatra nibosesika hampisamboaravoara ny ranomasina midadasika.


Ary ankehitriny efa nangoniko hamely anareo ny firenena maro izay miteny hoe: «Aoka ho afa-baràka i Tsiôna ary aoka isika hijery ny faharavàny!»


Rehefa niainga ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «Mitsangàna, TOMPO ô, aoka hihahaka ny fahavalonao, ary handositra anao ny mpankahala!»


–Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana; ary etỳ an-tany dia ho ory sy ho very hevitra ny firenena noho ny ranomasina hikotrokotroka sy hanonja izaitsizy.


Dia nanatona ahy ny anankiray tamin’ireo anjely fito izay nanana ny lovia fito, ka niteny tamiko nanao hoe: –Avia atỳ fa hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga malaza ratsy, izay mipetraka eo ambonin’ny ranobe.


Dia hoy koa ny anjely tamiko: –Ny ranobe, izay hitanao ipetrahan’ilay vehivavy janga, dia vahoaka sy olona maro mbamin’ny firenena sy ny samy hafa fiteny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra