Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 13:3 - Baiboly Katolika

Izaho kosa efa nanome didy an’ireo natokako, ary efa niantso ireo lehilahy maheriko hoentiko hahafa-po ahy amin’ny hatezerako, izay miarahaba ny fiandrianako, amin’ny hobin-kafaliana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Efa nandidy ireo nohamasiniko Aho sady niantso ny lehilahy mahery fo; dia ireo mibitaka sy mirehareha mba hahatanteraka ny fahatezerako.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izaho mihitsy no mibaiko ireo voatokana ho Ahy Izaho koa no niantso ireo mpiady mahery, dia ireo faly handresy ho voninahitro mba hanehoana ny fahatezerako.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izaho mihitsy no mibaiko ireo voatokana ho Ahy Izaho koa no niantso ireo mpiady mahery, dia ireo faly handresy ho voninahitro mba hanehoana ny fahatezerako.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, Eny, efa niantso ny lehilahy maheriko Aho, Dia ireo mibitaka amim-pireharehana, Hahatanteraka ny fahatezerako.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Efa nandidy ireo nohamasiniko Aho sady niantso ny lehilahy mahery fo; dia ireo mibitaka sy mirehareha mba hahatanteraka ny fahatezerako.

Jereo ny toko



Isaia 13:3
20 Rohy Ifampitohizana  

Hifaly amin’ny Mpahary azy anie i Israely, hientan-karavoana amin’ny Mpanjakany anie ny zanak’i Siôna!


I Iaveh efa naninjitra ny tanany amin’ny ranomasina, nampihorohoro ny fanjakana; nanao didy hamelezana ny tanànany mimanda.


Manangan-tsaina ho an’ireo firenena lavitra Izy; ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran’ny tany. dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka.


dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.


Aza reraka foana ny fonareo, aza matahotra, noho ny tsaho izay ho re honohono amin’ny tany! Fa hisy tsaho hitranga amin’ny taona iray, ary hisy tsaho hafa kosa, amin’ny taona manaraka izay; dia hisy fifamelezana mafy amin’ny tany, mpanapaka manao jadona mifanohitra.


Na hisondrotra hatrany an-danitra aza i Babela, na hataony tsy azo anihina aza ny tranony mimanda avo, dia ho tongan’ny mpandrava ihany izy, noho ny didiko, - teny marin’i Iaveh. -


Mangina eo anatrehan’ny Tompo Iaveh, fa efa akaiky ny andron’i Iaveh, satria efa nanomana sorona i Iaveh, efa nanamasina ny olo-nasainy Izy.


Mifalia noho ny nanjò azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olo-masina, mbaminareo apôstôly sy mpaminany koa, fa fanomezan-drariny anareo no nanamelohan’Andriamanitra azy.