Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 13:21 - Baiboly Katolika

Fa ny bibidia eny an’efitra no hanao ny lavany eo, ny vorondolo no hameno ny tranony; ny ostritsa no honina any, ary ny satira no hifalihavanja eo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa ny biby any an-tany efitra no hitoetra ao, ho feno vorondolo ny tranony; ny aotirisy no hitoetra any ary ny osilahy no hitsambikimbikina any.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Sakadia no hiorim-ponenana ao ary vorondolo no hameno ny tranony. Vorombe no hanao akany ao ary osidia no hifalihavanja ao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Sakadia no hiorim-ponenana ao ary vorondolo no hameno ny tranony. Vorombe no hanao akany ao ary osidia no hifalihavanja ao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, Ho feno vorondolo ny tranony, Ny ostritsa no hitoetra any, Ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa ny biby any an-tany efitra no hitoetra ao, ho feno vorondolo ny tranony; ny aotirisy no hitoetra any ary ny osilahy no hitsambikimbikina any.

Jereo ny toko



Isaia 13:21
10 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko fonenan-tsokina, amam-pihandronan-drano izy, ary hofafako amin’ny kofafa fandringanana, - teny ton’i Iavehn’ny tafika. -


Jereo ny tanin’ny Kaldeanina, firenena mbola tsy nisy, izay nanolotra an’i Asora ho an’ny bibidia any an’efitra; nanangana ny tilikambony izy, nandrava ny lapany, nataony korontan-javatra miavovona sisa teo!


Fa ny tanàna nataonao zary korontam-bato, ary ny tanàna mimanda, nataonao zava-drava, ny trano mimandan’ny barbarianina, tsy mba tanàna intsony, sady tsy hatsangana mandrakizay.


Fa ny lapa, nilaozana, ny tanàna maresaka, zary tany foana; Ofely sy ny Tilikambo fiambenana, zary fierem-biby ho mandrakizay, fikarenjen’ampondra dia, ary fiandrasana biby fiompy.


Koa ny biby any an’efitra aman’amboadia no honina eo, ny ostritsa no hiorim-ponenana eo; fa ny olona tsy hisy honina eo intsony mandrakizay; tsy hisy mponina intsony eo, amin’ny taona mifandimby.


ny aostritsa, ny tararaka, ny vorondriaka, ny hitsikitsika isan-karazany,


Noho izany aho dia hitomany sy hidradradradra, handeha tsy mitafy sy miboridana; handefa finaonaonana toy ny amboadia, ary fitarainana toy ny ostritsa.


Eo afovoany no handrian’ny biby fiompy ny biby isan-karazany; ny sama sy ny sokina vy no haka fonenana any amin’ny loha andriny; hisy feo mihira ho re eny am-baravarankely; ary fandravana no ho eo an-tokonana, fa efa nendahana ny peta-kazo sedera.


Niantso tamin’ny feo mahery izy, nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fitoeran’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona maloto halan’ny olona rehetra!