Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 13:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Sakadia no hiorim-ponenana ao ary vorondolo no hameno ny tranony. Vorombe no hanao akany ao ary osidia no hifalihavanja ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 fa ny biby any an-tany efitra no hitoetra ao, ho feno vorondolo ny tranony; ny aotirisy no hitoetra any ary ny osilahy no hitsambikimbikina any.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Sakadia no hiorim-ponenana ao ary vorondolo no hameno ny tranony. Vorombe no hanao akany ao ary osidia no hifalihavanja ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Fa ny bibidia eny an’efitra no hanao ny lavany eo, ny vorondolo no hameno ny tranony; ny ostritsa no honina any, ary ny satira no hifalihavanja eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, Ho feno vorondolo ny tranony, Ny ostritsa no hitoetra any, Ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 13:21
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa hataoko tonga honahona fonenan-tsokina izy, hofafako amin’ny kifafa i Babilôna ka ho levona, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao.


Mba jereo ange ity tanin’i Sipra! Tsy misy intsony ny maha firenena azy. Nataon’ny Asirianina tobim-pamaharana eo anivon-dranomasina io nosy io, ary nananganany tilikambo fitiliana sy nanorenany tanàna mimanda; kanefa lasa korontam-bato miavovona ireny.


Nataonao lasa antontam-bato ny tanàna, noravanao tokoa ny tanàna mimanda; tsy vanon-ko tanàna intsony ny lapan’ny mpiavonavona sady tsy hatsangana intsony na oviana na oviana.


Nilaozana ny lapan’ny mpanjaka, nangina ilay tanàna naresaka; ny faritr’i Hôfela sy ny tilikambo fitiliana dia nanjary toera-malalaka lalandava izay fikarenjen’ny borikidia sy firaofan’ny andiam-biby fiompy.


Noho izany dia ny kary sy ny amboadia no honina ao Babilôna; ary ny vorombe koa no hipetraka ao. Fa tsy honenana intsony izy mandrakizay ary tsy hitoerana hatramin’ny taranaka mifandimby.


ny aostritsa, ny tararaka, ny vorondriaka, ny hitsikitsika isan-karazany,


Hoy kosa i Mikà hoe: Noho izany, dia hitomany sy hidradradradra aho, ary handeha tsy mitafy sady tsy mikiraro. Hikonainaina toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny vorombe;


Ao amin’ny toerana nisy an’i Ninive dia handrian’ny omby aman’ondry sy ireo karazam-biby samy hafa; honenan’ny vorondolo sy tararaka eny an-tampon’ireo andrin-tranony, feom-borona no ho re eo am-baravarankely, faharàvana no ho hita raha vao mby eo an-tokonana satria ho voaendaka ny rafitra hazo sedera.


Dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fieren’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona amam-biby maloto rehetra hàlan’ny olona!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra