Isaia 13:10 - Baiboly Katolika Fa ny kintan’ny lanitra, sy antokon-kintany, tsy handefa ny fahazavany hamirapiratra, ny masoandro hihamaizina eo amin’ny fiposahany, ary ny volana tsy handefa ny fahazavany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny kintan’ny lanitra sy ireo Telonohorefy aza dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany intsony, ny masoandro dia ho maizina amin’ny fiposahany ary ny volana dia tsy hangarangarana. DIEM PROTESTANTA Ny kintana eny an-danitra, na ny telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavàny intsony; vao miposaka ny masoandro dia ho maizina, ary ny volana tsy handefa ny tarany intsony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny kintana eny an-danitra, na ny telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavàny intsony; vao miposaka ny masoandro dia ho maizina, ary ny volana tsy handefa ny tarany intsony. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny kintan’ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; Ny masoandro ho maizina amin’ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana. Malagasy Bible Fa ny kintan'ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin'ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana. La Bible en Malgache Fa ny kintan’ny lanitra sy ireo Telonohorefy aza dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany intsony, ny masoandro dia ho maizina amin’ny fiposahany ary ny volana dia tsy hangarangarana. |
Dieny mbola tsy maizina ny masoandro, sy ny fahazavana ary ny volana aman-kintana, ary mbola tsy mitambatra indray ny rahona aorian’ny orana,
Amin’izany andro izany i Iaveh hisava any ambony ny tafika any ambony, ary etỳ an-tany ny mpanjakan’ny tany.
Ary ny volana hihamena, ny masoandro hivaloarika, fa i Iavehn’ny tafika hanjaka ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema, ary ny voninahitra hamirapiratra eo anatrehan’ny loholony.
Mipetraha tsy miteny, midira ao amin’ny maizina, ry zanaka vavin’ny Kaldeanina; fa ianao tsy hantsoina intsony hoe: ilay tompovavin’ny fanjakana.
Amin’izany andro izany hisy rohondrohona hihatra amin’ny vahoaka, tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina. Hijery ny tany ny olona ka indro haizina no eo! Tebiteby mafy sy mivelatra hanarona ny lanitry ny faritany ny haizina.
Eo anoloan’izy io, mihorohoro ny tany, mihozongozona ny lanitra, mihamaizina ny masoandro amam-bolana, ary mihamaloka ny kintana.
Hofoanany amin’ny riaka manafotra izany fitoerana izany; ary hoenjehina hatrany anatin’ny haizina ny fahavalony.
Amin’izany andro izany, dia hisy zavatra toy izao: ny mazava tsy hisy, fa ny hatsiaka sy ny ranomandry.
«Ary raha vao afaka izany andron’ny fahoriana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy hahazava ny volana, hiraraka avy eny an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin’ny lanitra.
«Fa amin’izany andro izany, rehefa afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony,
«Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;
Ny masoandro hanjary maizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, dia ilay sady lehibe no malaza;
Nitsoka ny trômpetra indray ny Anjely fahefatra, dia voa ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, ka tonga maizina ny ampahatelon’ireo, tsy nazava intsony ny ampahatelon’ny andro, ary toraka izany koa ny alina.