Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 10:14 - Baiboly Katolika

Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopa elatra, na nisoka-bava na mba nikiaka akory!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tahaka ny fakàna ny ao amin’ny akanim-borona no nakan’ny tanako ny harenan’ny firenena; ary tahaka ny famory atody nilaozan’ny reniny no namoriako ny any amin’ny tany rehetra: Tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Toy ny fakàna ny akanim-borona ka angoronana ny atody nilaozan-dreniny no nakako ny haren’ireo firenena sy nangoronako ny fananan’ny tany tontolo, ka tsy nisy afa-nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toy ny fakàna ny akanim-borona ka angoronana ny atody nilaozan-dreniny no nakako ny haren’ireo firenena sy nangoronako ny fananan’ny tany tontolo, ka tsy nisy afa-nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tahaka ny fakàna ny ao amin’ny akanim-borona No nakan’ny tanako ny haren’ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny No namoriako ny any amin’ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tahaka ny fakàna ny ao amin'ny akanim-borona no nakan'ny tanako ny haren'ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin'ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tahaka ny fakàna ny ao amin’ny akanim-borona no nakan’ny tanako ny harenan’ny firenena; ary tahaka ny famory atody nilaozan’ny reniny no namoriako ny any amin’ny tany rehetra: Tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka.

Jereo ny toko



Isaia 10:14
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary tsy mba fantatrareo va ny nataonay, dia izaho sy ny razako, tamin’ny firenena rehetra tamin’ny tany é?


raha ny habetsahan’ny hareko no nifaliako, mbamin’ny fananana nangonin’ny tanako;


Misandratra ny fon’ny olona alohan’ny faharavàny, fa ny fanetren-tena kosa, mialoha ny voninahitra.


Nikapoka ny vahoaka tamin-katezerana mafy Izy, tamin’ny kapoka tsy an-kijanona; nentin’ny fisafoahany dia nataony ambany jioga ny firenena, tamin’ny fanenjehana tsy misy hiainana.


Nihady aho, dia manan-drano hosotroina; homainiko amin’ny faladian-tongotro ny onin’i Ejipta rehetra.›


Loza ho an’izay manampy trano amin’ny trano, sy manitatra saha amin’ny saha, mandra-paha-tsy misy manelanelana intsony, fa dia izy irery no honina eo afovoan’ny tany.


Nahasodòka anao ny tahotra nampihorohoroanao ny olona sy ny hambom-ponao, ianao izay monina eny an-tsefatsefa-bato, sady mitoetra eny an-tampon-kavoana. Nefa na hataonao avo toy ny an’ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy any ianao, - teny marin’i Iaveh.-


Nihaika Ahy ianareo tamin’ny lahateninareo; sady nanamaro ny teninareo, namely Ahy. Izaho kosa efa nandre izany!


Na hisondrotra ho avo toy ny voromahery aza ianao, ka hametraka ny akaninao eny amin’ny kintana, dia hampidina anao avy eny Aho, - teny marin’i Iaveh. -


Toy ny bodo i Niniva hatrizay niandohany... Mandositra izy ireo! ...Mijanòna e! Mijanòna e!... nefa tsy misy miherika!