Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 10:13 - Baiboly Katolika

13 Satria izy nanao hoe: «Ny nahefàko izany dia noho ny herin’ny tanako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin’ny firenena, nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany dia nanongana azy Aho toy ny lehilahy mahery fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Satria hoy izy: Tamin’ny herin’ny tanako no nanaovako izany, tamin’ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho; nanaisotra ny faritanin’ny firenena aho sady namabo ny harenany, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no nanonganako ny mpanapaka.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Satria hoy izy anakampony hoe: «Ny herin-tsandriko sy ny fahendreko no nahavitako ny zavatra rehetra, fa izaho no marani-tsaina indrindra. Nofoanako ny faritanin’ny firenena maro ary norobaiko ny tahirin-karenany. Ary toy ny lehilahy mahery fo aho raha nanongana ny mpanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Satria hoy izy anakampony hoe: «Ny herin-tsandriko sy ny fahendreko no nahavitako ny zavatra rehetra, fa izaho no marani-tsaina indrindra. Nofoanako ny faritanin’ny firenena maro ary norobaiko ny tahirin-karenany. Ary toy ny lehilahy mahery fo aho raha nanongana ny mpanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Fa izy manao hoe: tamin’ny herin’ny tànako no nanaovako izany, Sy tamin’ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny fari-tanin’ny firenena aho Sady namabo ny hareny, Ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Fa izy manao hoe: Tamin'ny herin'ny tanako no nanaovako izany, sy tamin'ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin'ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Satria hoy izy: Tamin’ny herin’ny tanako no nanaovako izany, tamin’ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho; nanaisotra ny faritanin’ny firenena aho sady namabo ny harenany, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no nanonganako ny mpanapaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 10:13
31 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andron’i Faseà mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria sy nahazoan’io an’i Ajôna, i Abela-Bety-Maakà, i Janôe, i Kedesa, Asôra, i Galaada ary i Galilea, dia ny tanin’i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina.


Ary nalain’i Akaza ny volafotsy sy volamena hita tao an-tranon’i Iaveh, sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, nampitondrainy ho fanomezana ny mpanjakan’i Asiria.


Olona nasain’ny mpanjakan’i Asiria ho avy any Babilôna sy any Kota sy any Avah, sy any Emata, ary any Sefarvaima no namponeniny tany amin’ny tanànan’i Samaria, hisolo ny zanak’i Israely, ka dia ireny no nahazo an’i Samaria, sy nonina tamin’ny tanànany.


Nony tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Osea dia azon’ny mpanjakan’i Asiria i Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria i Israely namponeniny tany Halà, teo amoron’i Habôra, ony any Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda.


Dia nentin’ny mpanjakan’i Asiria ho babo tany Asiria i Israely, ka namponeniny tao Halà, teo amoron’i Habôra, onin’i Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda,


Ka nomen’i Ezekiasa avokoa ny volafotsy hita tao an-tranon’i Iaveh, sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka.


mandra-piaviko hitondra anareo ho any amin’ny tany tahaka ny anareo, dia tany misy vary aman-divay, tany misy mofo amam-boaloboka, tany misy ôliva tsara, diloilo sy tantely, ka ho velona ianareo fa tsy ho faty. Koa aza mihaino an’i Ezekiasa, fa vohony omeny anareo no ilazany hoe: Hovonjen’i Iaveh isika.


Ka namporisihin’ny Andriamanitr’i Israely, ny fanahin’i Fola mpanjakan’i Asiria sy ny fanahin’i Telgata-Falasara, dia nentin’ireo babo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, nentiny nankany Halà sy i Habôra ary i Arà mbamin’ny ony Gôzàna mandrak’androany.


Ny manan-karena manao ny tenany ho hendry; fa ny mahantra manan-tsaina kosa, mahalala azy ihany.


Hoy izy: «Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko?


Loza ho an’izay manao ny tenany ho hendry, sy mihevitra azy ho mazava saina!


I Ejipta izao miakatra hoatra an’i Nila izao, ka misamboaravoara ny onjany hoatra ny ony be, Hoy izy: «Hiakatra aho, ka hanapaka ny tany, haringako ny tanàna mbamin’ny mponina ao aminy.


Ahoana no ahazoanareo milaza hoe: «Mpiady izahay, lehilahy mahery an’ady izahay?»


Lazao amin’ny taranak’i Amôna hoe: Mihainoa ny tenin’ny Tompo Iaveh! Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao nanakora hoe: «Hia! Hia!» ny amin’ny fitoerako masina satria efa voavetaveta, sy ny amin’ny tanin’i Israely, satria efa voarava, sy ny amin’ny taranak’i Jodà, satria lasan-ko babo izy ireo;


Ry zanak’olona, noho ny nitenenan’i Tira momba an’i Jerosalema nataony hoe: «Hia! Hia! vaky ilay vavahadin’ny firenena! atỳ amiko indray no todihin’ny olona; ka izaho ho feno; izy kosa efa zary efitra!»


Mitenena ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy ao aminao Aho, ry Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, ianao ilay mamba makadiry, mandry eo afovoan’ireo oninao, sy nanao hoe: «Ahy ny oniko, fa izaho no nanao azy ho an’ny tenako.»


Nihaika Ahy ianareo tamin’ny lahateninareo; sady nanamaro ny teninareo, namely Ahy. Izaho kosa efa nandre izany!


koa hoentiko hatao sesitany ambadik’i Damasy ianareo, hoy i Iaveh: Andriamanitry ny tafika no Anarany.


Dia mifaly ianareo amin’izay zava-poana; ianareo manao hoe: «Tsy tamin’ny herinay va, no nahazoanay fahefana?»


Dia mandroso ny tafio-drivotra ka mihoatra, ary izy mahazo heloka; ny herin’ny tenany dia izay no andriamaniny!


Ka noho izany, izy manao sorona ho an’ny haratony, sy manatitra emboka manitra ho an’ny harato tarihiny; satria ireo no ahazoany anjara hanina matavy sy sakafo matsiro.


Moa va izy ireo, dia izy rehetra, tsy hanonona oha-teny momba azy amam-panoharana sy ankamantatra mihatra aminy? Hanao hoe: Mila loza izay mandroaka ny tsy azy, - mandra-pahoviana? - sy ho an’izay mandray ho entana tataoviny ny zavatra natao tsatòka.


fandrao ianao hanao anakampo hoe: Ny heriko aman-tanjaky ny tanako no nahavoriako izao harena izao.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Maro loatra ity vahoaka miaraka aminao, ka tsy hanolotra an’i Madiàna ho eo an-tanany Aho, fandrao hireharehan’i Israely amiko izany hataony hoe: Ny tanako ihany no nanafaka ahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra