13 Satria hoy izy anakampony hoe: «Ny herin-tsandriko sy ny fahendreko no nahavitako ny zavatra rehetra, fa izaho no marani-tsaina indrindra. Nofoanako ny faritanin’ny firenena maro ary norobaiko ny tahirin-karenany. Ary toy ny lehilahy mahery fo aho raha nanongana ny mpanjakany.
13 Satria hoy izy: Tamin’ny herin’ny tanako no nanaovako izany, tamin’ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho; nanaisotra ny faritanin’ny firenena aho sady namabo ny harenany, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no nanonganako ny mpanapaka.
13 Satria hoy izy anakampony hoe: «Ny herin-tsandriko sy ny fahendreko no nahavitako ny zavatra rehetra, fa izaho no marani-tsaina indrindra. Nofoanako ny faritanin’ny firenena maro ary norobaiko ny tahirin-karenany. Ary toy ny lehilahy mahery fo aho raha nanongana ny mpanjakany.
13 Satria izy nanao hoe: «Ny nahefàko izany dia noho ny herin’ny tanako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin’ny firenena, nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany dia nanongana azy Aho toy ny lehilahy mahery fo.
13 Fa izy manao hoe: tamin’ny herin’ny tànako no nanaovako izany, Sy tamin’ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny fari-tanin’ny firenena aho Sady namabo ny hareny, Ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;
13 Fa izy manao hoe: Tamin'ny herin'ny tanako no nanaovako izany, sy tamin'ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin'ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;
Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.
Dia naka izay volafotsy sy volamena hitany tao an-tranon’ny TOMPO sy tao amin’ny tahirin-dapa i Ahaza ka nandefa izany ho fanomezana ho an’ny mpanjakan’i Asiria.
Fa nitondra olona avy tany Babilôna sy Kotà na avy tany Havà sy Hamata ary Sefarvaîma ny mpanjakan’i Asiria mba hapetrany amin’ireo tanànan’i Samaria hisolo ny Israelita izay voasesitany; ireo no nahazo ny faritr’i Samaria ho fananany ka nitoetra tamin’ny tanànany.
Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hôsea no nahazoan’ny mpanjakan’i Asiria an’i Samaria; ka dia nataony sesitany tany Asiria ny Israelita tavaratra ary namponeniny tao Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary teny amin’ny tanànan’i Media.
Ary nentin’ny mpanjakan’i Asiria ho babo tany Asiria ny Israelita ka napetrany tao amin’i faritr’i Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary tao amin’ireo tanànan’i Media.
Ho avy aho atsy ho atsy hitondra anareo ho any amin’ny tany tahaka ny anareo, dia tany be varimbazaha hanaova-mofo sy tany be voaloboka hanaovan-divay ary tanin’ôliva tsara diloilo sy tantely. Dia ho velona ianareo amin’izany fa tsy ho faty. Koa aza mihaino an’i Hezekià fa atorony voho ianareo raha ilazany fa hamonjy anareo ny TOMPO!
Dia nampirisihin’ilay Andriamanitr’i Israely i Pola sy i Tiglato-Pilesera samy mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Reobenita sy ny Gadîta ary ny antsasaky ny fokon’i Manase sady nentiny tany Halà sy Habôra sy Harà ary tany amoron’ny ony Gôzàna, ka mbola any ireo mandraka androany.
I Ejipta no tahaka an’i Neily tondraka, na ireo sampany misy rano misamboaravoara, fa hoy izy hoe: «Hiakatra hanafotra ny tany aho, ary handringana ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
Asaovy mihaino izy fa izao no teny lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminy: ‹Nihomehy ianareo fony nozimbazimbaina ny toerako masina ary nosimbana ny tanin’i Israely sady nentina ho babo ny olon’i Joda.
Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Hirotsaka hamely anao Aho, ry Farao mpanjakan’i Ejipta, fa toy ny fanano goavana mamitsaka eo afovoan’ireo sakeli-dranon’i Neily ianao. Nolazainao fa anao io ony io satria ianao no namorona azy.
Niaraka tamin’izay dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara izany teny izany: Noroahina niala tamin’ny olombelona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary kotsan’ny ando ny tenany, hany ka ny volon-dohany dia tonga lava toy ny an’ny voromahery ary ny hohony dia tonga nifaraingo toy ny an’ny vorona.
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Gidehôna: –Maro loatra ny tafika miaraka aminao ka tsy hatolotro eo an-tanany ny Midianita, fandrao hirehareha amiko ny Israelita ka hanao hoe: «Ny herinay ihany no namonjy anay».