Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 32:13 - Baiboly Katolika

13 Ary tsy mba fantatrareo va ny nataonay, dia izaho sy ny razako, tamin’ny firenena rehetra tamin’ny tany é?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin’ny firenena rehetra tany amin’ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin’ny tanako?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Tsy fantatrareo va izay nataon’ireo razako sy ny tenako tamin’ny firenena hafa rehetra eto an-tany? Moa nisy nahavonjy ny taniny tsy hiharan’ny fahefàko ve ireo andriamanitry ny firenen-kafa?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Tsy fantatrareo va izay nataon’ireo razako sy ny tenako tamin’ny firenena hafa rehetra eto an-tany? Moa nisy nahavonjy ny taniny tsy hiharan’ny fahefàko ve ireo andriamanitry ny firenen-kafa?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin’ny firenena rehetra tany amin’ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin’ny tànako?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin'ny firenena rehetra tany amin'ny tany hafa ? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin'iny tanako?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin’ny firenena rehetra tany amin’ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin’ny tanako?

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 32:13
20 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andron’i Faseà mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria sy nahazoan’io an’i Ajôna, i Abela-Bety-Maakà, i Janôe, i Kedesa, Asôra, i Galaada ary i Galilea, dia ny tanin’i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina.


Moa nahavonjy tokoa ny taniny tamin’ny tanako va, ny andriamanitry ny firenena amin’ny tany? Iza amin’ny andriamanitr’ireo firenena naringan’ny razako no nahavonjy ny vahoaka tamin’ny tanako, no dia hahavonjy anareo amin’ny tanako ny Andriamanitrareo?


Mova tsy ny filaza ny andriamanitry ny firenena amin’ny tany, asan-tanan’olombelona ihany, no filàzany ny Andriamanitr’i Jerosalema!


Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopa elatra, na nisoka-bava na mba nikiaka akory!»


Tsy toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa Izy dia Ilay namorona an’izao rehetra izao; ary i Israely no firenena lovany; i Iavehn’ny tafika no Anarany.


Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efezy ihany, fa saika eran’i Azia manontolo, dia mitaona olona betsaka hanary ny sampy iny Paoly iny manao hoe: ‹Tsy andriamanitra ireo nataon-tanan’olona›,


Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra