Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 32:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Tsy fantatrareo va izay nataon’ireo razako sy ny tenako tamin’ny firenena hafa rehetra eto an-tany? Moa nisy nahavonjy ny taniny tsy hiharan’ny fahefàko ve ireo andriamanitry ny firenen-kafa?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin’ny firenena rehetra tany amin’ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin’ny tanako?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Tsy fantatrareo va izay nataon’ireo razako sy ny tenako tamin’ny firenena hafa rehetra eto an-tany? Moa nisy nahavonjy ny taniny tsy hiharan’ny fahefàko ve ireo andriamanitry ny firenen-kafa?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ary tsy mba fantatrareo va ny nataonay, dia izaho sy ny razako, tamin’ny firenena rehetra tamin’ny tany é?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin’ny firenena rehetra tany amin’ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin’ny tànako?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin'ny firenena rehetra tany amin'ny tany hafa ? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin'iny tanako?

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 32:13
20 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.


Ny andriamanitr’ireo firenena efa naringan’ny razako ireo dia tsy nisy nahavonjy ny olony tsy hiharan’ny fahefàko, ka dia hahavonjy anareo tsy hiharan’ny fahefàko va ny Andriamanitrareo?


Ary ny fitenenany an’ilay Andriamanitr’i Jerosalema koa dia toy ny fitenenany an’ireny andriamanitry ny firenena any an-tany hafa ireny, izay sarivongana asan-tanan’olona ihany.


Toy ny fakàna ny akanim-borona ka angoronana ny atody nilaozan-dreniny no nakako ny haren’ireo firenena sy nangoronako ny fananan’ny tany tontolo, ka tsy nisy afa-nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka.»


Fa tsy mitovy amin’ireo ny Tompo, ilay Anjaran’i Jakôba, satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra; ary ny vahoaka Israely dia fananany. Ilay TOMPOn’izao rehetra izao no anarany.


Niaraka tamin’izay dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara izany teny izany: Noroahina niala tamin’ny olombelona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary kotsan’ny ando ny tenany, hany ka ny volon-dohany dia tonga lava toy ny an’ny voromahery ary ny hohony dia tonga nifaraingo toy ny an’ny vorona.


Ary noho io fahalehibiazana izay nomen’Andriamanitra azy io dia natahotra sy nangovitra avokoa teo anatrehany ny foko sy firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra; fa nahafaty izay tiany ho faty izy ary namelona izay tiany ho velona, nanandratra izay tiany hasandratra izy ary nampietry izay tiany haetry.


Kanefa hitanareo sy renareo izay ataon’ity Paoly ity: ambarany fa tsy andriamanitra ireo andriamanitra nataon-tanan’ny olombelona; ary olona maro no voataonany, tsy eto Efeso ihany, fa saiky manerana an’i Azia.


Koa azo hanina ve ny hena natao sorona tamin’ny sampy? Fantatsika fa tsinontsinona ny sampy eo amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy ilay Andriamanitra tokana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra