ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.
Isaia 1:27 - Baiboly Katolika Havotana amin’ny hitsiny i Siôna, ary amin’ny rariny, izay hibebaka ao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Havotana amin’ny fitsarana i Ziona ary izay miverina ao dia havotana amin’ny fahamarinana. DIEM PROTESTANTA Ho voavonjy i Tsiôna rehefa mitandro ny rariny; ary ho voavonjy ireo mponiny niala tamin’ny toe-dratsy rehefa mampihatra ny fahamarinana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho voavonjy i Tsiôna rehefa mitandro ny rariny; ary ho voavonjy ireo mponiny niala tamin’ny toe-dratsy rehefa mampihatra ny fahamarinana. Baiboly Protestanta Malagasy Ziona havotana amin’ny fitsarana, Ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin’ny fahamarinana; Malagasy Bible Ziona havotana amin'ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin'ny fahamarinana; La Bible en Malgache Havotana amin’ny fitsarana i Ziona* ary izay miverina ao dia havotana amin’ny fahamarinana. |
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.
Ao tsy mba hisy liona, tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao. Fa ny voavonjy no hizotra ao, ary ny navotan’i Iaveh no ho tonga ao indray;
dia hiseho ho lehibe, amin’ny fitsarana, i Iavehn’ny tafika, ary hiseho ho masina amin’ny fahamarinana ny Andriamanitra masina
Mihainoa ny feoko, ry vahoakako, manongilàna sofina, ry fireneko! fa hamoaka lalàna Aho, ary hanorina ny didiko ho fanazavana ny firenena.
Fa izao no lazain’i Iaveh: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo; ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo!
Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao; aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana, fa tsy manan-katahorana ianao; ho lavitra anao anie ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
Izy ireo hantsoina hoe: ‹Firenena masina,› ‹Ny navotan’i Iaveh›; ary ianao kosa hantsoina hoe: ‹Ilay irina›, ‹Tanàna tsy foy› ».
Hoesoriko amin’ny vavany, ny anaran’ireo Baala, ka tsy hotononina amin’ny anarany intsony ireny.
Tsarovy àry, ry vahoakako, ny hevitra nomen’i Balàka, mpanjakan’i Moaba, sy ny navalin’i Balaama, zanak’i Beôra, azy. Tsarovy ny hatrany Setima ka hatrany Galgalà, hahafantaranao ny fahamarinan’i Iaveh.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!
Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.