Hanomanan’i Iavehn’ny tafika amin’ity tendrombohitra ity ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana.
Isaia 1:19 - Baiboly Katolika Raha manaiky amin’ny fo mazoto ianareo, dia hihinana ny zava-tsoan’ny taninareo, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha manaiky sy mankatò ianareo dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany; DIEM PROTESTANTA Raha manaiky ianareo ka mankatò, dia hihinana ny vokatra tsara avy amin’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha manaiky ianareo ka mankatò, dia hihinana ny vokatra tsara avy amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Raha manaiky sy mankatò hianareo, Dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany; Malagasy Bible Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany; La Bible en Malgache Raha manaiky sy mankatò ianareo dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany; |
Hanomanan’i Iavehn’ny tafika amin’ity tendrombohitra ity ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana.
dia hahita fahafinaretana ao amin’i Iaveh ianao amin’izany; sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin’ny avo amin’ny tany, sy hampiaraniko amin’ny lovan’i Jakôba rainao; fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.
Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Ny mpanompoko hihinana, fa ianareo ho noana; ny mpanompoko hisotro, fa ianareo hangetaheta. Ny mpanompoko hiravoravo, fa ianareo hangaihay;
Dia lazao amin’io vahoaka io hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro ataoko eo anoloanareo ny lalan’ny fiainana sy ny lalan’ny fahafatesana.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ahitsio ny lalanareo aman’asanareo, dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo.
Fa raha ahitsinareo ny lalanareo aman’asanareo; raha tsarainareo marina ny adin’ny olona amin’ny namany,
dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo; amin’ny tany efa nomeko ny razanareo hatramin’ny andro taloha ka hatramin’ny mandrakizay.
Hihinana be ianareo ka ho voky, dia hidera ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrareo, izay nanao zava-mahagaga ho anareo; ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako, na oviana na oviana.
Ny tany hahavokatra, ianareo hihinana amim-panaranam-po, ka dia handry feizay ianareo.
Ny fivelezam-bary haharitra hatramin’ny fitoazam-boaloboka; ny fitoazam-boaloboka hahatratra ny famafazana; dia hihinana ianareo ka ho voky tsara, ary handry feizay eo amin’ny taninareo.
Tamin’izay i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, sy i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, mbamin’ny vahoaka sisa rehetra nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny, sy ny tenin’i Akjea, mpaminany, araka ny hafatra nomen’i Iaveh Andriamaniny azy, ka natahotra ny vahoaka teo anatrehan’i Iaveh.
Raha manaiky tsara ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka manaraka sy mitandrina ny didiny rehetra andidiako anao anio, i Iaveh Andriamanitrao hanandratra anao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany.
ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy,