Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro, ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay; tsy misy azo ataha Aminao. Maniry hitory sy hanambara an’ireny aho, fa mihoatra ny azo lazaina Izy.
Isaia 1:12 - Baiboly Katolika Raha tonga hiseho eo anatrehako ianareo, zovy moa no nitady anareo, handia izay kianjako akory? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tonga miseho eo anatrehako ianareo, iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? DIEM PROTESTANTA Ianareo izay tonga hiseho eto anatrehako, moa Izaho ve no nangataka anareo hanitsakitsaka ny kianjan’ny tempoliko? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianareo izay tonga hiseho eto anatrehako, moa Izaho ve no nangataka anareo hanitsakitsaka ny kianjan’ny tempoliko? Baiboly Protestanta Malagasy Raha avy miseho eo anatrehako hianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? Malagasy Bible Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? La Bible en Malgache Rehefa tonga miseho eo anatrehako ianareo, iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? |
Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro, ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay; tsy misy azo ataha Aminao. Maniry hitory sy hanambara an’ireny aho, fa mihoatra ny azo lazaina Izy.
«Intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra eo anatrehan’i Iaveh Tompo, Andriamanitr’i Israely.
Aza haingam-bava foana, ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana hanonona teny eo anatrehan’Andriamanitra: fa Andriamanitra any an-danitra, Ianao etỳ an-tany; ka aoka ho vitsy teny ianao.
Moa zohy fieren’ny mpangalatra eo imasonareo va, ity trano iantsoana ny Anarako ity? Izaho koa mba nahita izany, - teny marin’i Iaveh. -
Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
«Mitenena ianao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany mbamin’ny mpisorona, ka lazao amin’izy ireo hoe: ‹Raha nifady hanina sy nanao fisaonana ianareo, tamin’ny volana fahadimy sy fahafito, efa hatramin’ny fitopolo taona izay, moa ho Ahy va no nifadianareo hanina?
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny.
Intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra aminareo, eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, any amin’ny fitoerana izay hofidiny, dia amin’ny fetin’ny Azima, sy ny fetin’ny Herinandro, ary ny fetin’ny Tabernakla; ka aoka tsy ho tanam-polo fotsiny no hisehoany eo anatrehan’i Iaveh,