Ka hariako any ivelan’ity tany ity ianareo; ho any amin’ny tany tsy fantatrareo, na ianareo na ny razanareo; ary ianareo hanompo ny andriamani-kafa andro aman’alina; fa tsy hamindra fo aminareo Aho.
Hosea 8:11 - Baiboly Katolika Nampitombo ny ôtely i Efraima tamin’ny nanotany, ary ireo ôtely ireo nahalavo azy tamin’ny ota. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanao alitara maro hanotana i Efraima; eny, alitara mba hanotany. DIEM PROTESTANTA Nampitombo ireo alitara i Efraîma mba hahatonga azy hanota; eny, ireo alitara ireo tokoa no mahatonga azy hanota. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nampitombo ireo alitara i Efraîma mba hahatonga azy hanota; eny, ireo alitara ireo tokoa no mahatonga azy hanota. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Efraima nanao alitara maro hanotana,– Eny, efa nahazo alitara hanotana izy. Malagasy Bible Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy. La Bible en Malgache Nanao alitara maro hanotana i Efraima; eny, alitara mba hanotany. |
Ka hariako any ivelan’ity tany ity ianareo; ho any amin’ny tany tsy fantatrareo, na ianareo na ny razanareo; ary ianareo hanompo ny andriamani-kafa andro aman’alina; fa tsy hamindra fo aminareo Aho.
Ny fahotan’i Jodà dia voasoratra tamin’ny vy fanoratana sy tamin’ny fantsika diamondra, voasokitra eo amin’ny takelaky ny fony izany, sy eo amin’ny tandroky ny ôtelinareo.
Ho rava ny fitoerana avon’i Avena, izay fahotan’i Israely; handadian’ny tsilo amam-boarointsaka ny ôteliny. Ny tendrombohitra hilazany hoe: «Saròny izahay!»
Niteny tamin’ny mpaminany Aho, ary Izaho koa no nahamaro ny fahitana, ary niteny tamin’ny fanoharana Aho tamin’ny alalan’ny mpaminany.
Tsy avelan’ny asa nataony hiverina amin’Andriamanitra izy ireo, fa saim-pijangajangana no eo afovoany, ka tsy mahalala an’i Iaveh izy.
Asan-tanan’olombelona no andriamanitra hotompoinareo any, dia vato aman-kazo izay tsy mahita, na mandre na mihinana na manimbolo.