Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 8:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Nampitombo ireo alitara i Efraîma mba hahatonga azy hanota; eny, ireo alitara ireo tokoa no mahatonga azy hanota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Nanao alitara maro hanotana i Efraima; eny, alitara mba hanotany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Nampitombo ireo alitara i Efraîma mba hahatonga azy hanota; eny, ireo alitara ireo tokoa no mahatonga azy hanota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Nampitombo ny ôtely i Efraima tamin’ny nanotany, ary ireo ôtely ireo nahalavo azy tamin’ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Fa Efraima nanao alitara maro hanotana,– Eny, efa nahazo alitara hanotana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Nanao alitara maro hanotana i Efraima; eny, alitara mba hanotany.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 8:11
8 Rohy Ifampitohizana  

Noho izany dia horoahiko hiala amin’ity tany ity ianareo hankany amin’ny tany izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razanareo. Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman’alina, fa tsy hiantra anareo intsony Aho.› »


Ny fahotan’ireo vahoakan’i Joda dia voasoratra tamin’ny vy sy diamondra fanoratana. Tahaka ny voasokitra soratra amin’ny vatofisaka no mahavoasokitra izany ao am-pony sy eny an-joron’ny alitarany;


Ho rava ireo toeram-panasinana: izany no hadisoana sy fahotan’i Israely. Songosongo aman-tsilo no handadina ny alitarany. Amin’izay no hitenenana hoe: «Ry tendrombohitra, saròny izahay!» «Ry havoana, mianjerà aminay».


Niteny tamin’ireo mpaminany Aho fahizay ka nampitombo ny fahitana; ary tamin’ny alalan’ny mpaminany koa no nanaovako fanoharana.


Fa tsy mamela azy hiverina amin’Andriamaniny ny asa nataon’ny Israelita. Rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka ao aminy ka tsy mahalala ny TOMPO izy.


Asan-tanan’olombelona no andriamanitra hotompoinareo any, dia vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mihinana na manimbolo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra