Tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Jôakaza dia nampahory an’i Israely i Hazaela mpanjakan’i Siria.
Hosea 7:9 - Baiboly Katolika Levon’ny hafa firenena ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; efa mipi-bolo ny lohany, nefa tsy fantany akory izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lanin’ny vahiny ny heriny nefa tsy fantany akory izany. Eny, efa miha fotsy volo ihany izy saingy tsy fantany. DIEM PROTESTANTA Tsentsefin’ny vahiny ny heriny nefa tsy fantany akory izany; ary mihafotsy ny volon-dohany, nefa tsy fantany akory izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsentsefin’ny vahiny ny heriny nefa tsy fantany akory izany; ary mihafotsy ny volon-dohany, nefa tsy fantany akory izany. Baiboly Protestanta Malagasy Lanin’ny vahiny ny heriny, Nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipì-bolo ihany izy, Saingy tsy fantany. Malagasy Bible Lanin'ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany. La Bible en Malgache Lanin’ny vahiny ny heriny nefa tsy fantany akory izany. Eny, efa miha fotsy volo ihany izy saingy tsy fantany. |
Tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Jôakaza dia nampahory an’i Israely i Hazaela mpanjakan’i Siria.
Tongan’i Fola mpanjakan’i Asiria, ny tany, ary nomen’i Manahema talenta volafotsy arivo i Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany.
Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy mahatsiaro maharary; nandalasiny aho... fa tsy mahare na inona na inona!... Rahoviana aho no hifoha?... Mbola ilaiko ihany izany!
Ny taninareo, lao; ny tanànanareo levon’ny afo. Ny taninareo levon’ny hafa eo imasonareo; hoatra ny fandravan’ny olon-kafa firenena no fahasimbany.
Tsy mbola nandre izany ianao, tsy nahalala izany ianao; tsy mbola nandre izany velively ny fonao. Satria fantatro ianao fa mpivadika loatra, ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao dia hoe mpivadika.
Lasa tsy hita intsony ny marina nefa tsy misy misaina ao am-pony; alaina ny olona tia vavaka, nefa tsy misy mihevitra akory fa noesorina ho afaka amin’ny loza ny marina,
Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.
Namafy rivotra izy ireo, ka hijinja tafio-drivotra. Tsy hisy salohim-bary ho azy, fa hisy vary tsy vanon-ko lafarina; ary raha vanon-ko lafarina aza, ny hafa firenena no hihinana azy.