Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 7:5 - Baiboly Katolika

Amin’ny andron’ny mpanjakantsika, ny mpanapaka mankarary tena amin’ny hafanan’ny divay; niara-naninji-tanana tamin’ny mpananihany izy io.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny andron’ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin’ny herin’ny divay ny mpanapaka; nifandray tanana tamin’ny mpaniratsira izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Amin’ny andro fankalazana ny fetin’ny mpanjakany dia ny herin’ny divay no mamparary ireo mpifehy; ka olona mpaniratsira no raisin’ny mpanjaka tanana,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Amin’ny andro fankalazana ny fetin’ny mpanjakany dia ny herin’ny divay no mamparary ireo mpifehy; ka olona mpaniratsira no raisin’ny mpanjaka tanana,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tamin’ny andron’ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin’ny fanafanan’ny herin’ny divay ny mpanapaka; Nifandray tànana tamin’ny mpaniratsira ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin'ny fanafanan'ny herin'ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin'ny mpaniratsira ny mpanjaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny andron’ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin’ny herin’ny divay ny mpanapaka; nifandray tanana tamin’ny mpaniratsira izy.

Jereo ny toko



Hosea 7:5
20 Rohy Ifampitohizana  

Nony tamin’ny andro fahatelo, izay fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Faraôna, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra i Faraôna, ka samy nasandrany tokoa ny lohan’ny lehiben’ny mpandroso divay sy ny lohan’ny lehiben’ny mpitantana mofo;


Nony ren’i Jerôbôama mpanjaka ny tenin’ity olon’Andriamanitra, niantso amin’ny ôtely tao Betela dia naninjitra ny tanany avy eo ambony ôtely izy, ka nanao hoe: «Sambory ilay io.» Kanjo maina terỳ ny tanany izay nahinjiny hanondro azy, ka tsy azony navonkina intsony.


Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira;


Lamba malailay no ataoko fitafy, dia zary fanarabin’izy ireo aho.


Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry; fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.


Mpamazivazy ny divay, mpitabataba ny toaka, ka izay miarana amin’izany tsy mba hendry.


Loza ho an’ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany, eny an-tampon’ny lohasaha lonaka misy an’ireo lehilahy mamon’ny divay.


Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo, ry olona mpananihany, lehiben’ny vahoaka eto Jerosalema.


Ny mpanjaka, falifaliany amin’ny haratsiany; ary ny mpifehy amin’ny laingany.


Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda.


Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tomponarivo ary ny loholona tany Galilea.


Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy Masina ianareo.