Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.
Hosea 4:19 - Baiboly Katolika Namihina azy tamin’ny elany ny rivotra, ka ho latsaka an-kenatra izy ireo noho ny sorona nataony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra. DIEM PROTESTANTA Faohin’ny tadio mitambolimbolina izy ka ho menatra noho ireo sorona nataony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Faohin’ny tadio mitambolimbolina izy ka ho menatra noho ireo sorona nataony. Baiboly Protestanta Malagasy Voapaoky ny elatry ny rivotra izy Ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra. Malagasy Bible Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra. La Bible en Malgache Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra. |
Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.
Hihemotra sy ho safo-kenatra ireo izay matoky ny sampy, izay milaza amin’ny sarin-javatra anidina hoe: Ianareo no andriamanitray.»
fanantenan’i Israely, Iaveh ô, ho menatra izay rehetra mahafoy anao! Hosoratana amin’ny tany izay miala amiko, satria nandao ny lohan’ny rano velona, Iaveh, izy ireo.
Izao no lazain’i Iaveh: Indro hohetsehiko hamely an’i Babela sy hamely ny mponina amin’i Kaldea ilay fanahy mpandringana.
Hofaizako araka ny sitrapoko izy ireo: ary ho tafangona hamely azy ny firenena, rehefa hafatotra amin’ny fahotany roa izy ireo.
Hoentina any Asiria koa izy, hatao fanatitra ho an’ny mpanjaka mpamaly; ho azon’ny henatra i Efraima, hangaihay noho ny hevitra voakasany i Israely.
I Efraima nanodidina Ahy tamin’ny lainga, ary ny taranak’i Israely tamin’ny fitaka, i Jodà koa efa tapa-kofehy ny amin’ny momba an’Andriamanitra, ny amin’ny momba an’ilay Masina izay mahatoky.
Fa hahavokatra eo amin’ny rahalahiny i Efraima; nefa ho tonga ny rivotra avy atsinanana; hiakatra avy any an’efitra ny fofon’ain’i Iaveh; ka ho maina ny loharanony; ho tankina ny fantsakàny; hobaboiny ny firaketan’ny zava-tsarobidy rehetra.