Nofoanany tamin’ny tany ny manolo-tena ho mpijangajanga, ary nariany avokoa ny sampy nataon-drainy.
Hosea 4:14 - Baiboly Katolika samy tsy hofaizako na ny zanaka vavinareo noho ny fijangajangany, na ny vinantovavinareo tanora noho ny fakàny vadin’olona; satria, na ireo koa aza, mihataka ho any amin’ny vehivavy janga, sy miara-manatitra sorona amin’ny karam-bavy. Ary mivarin-ko faty ny vahoaka tsy misaina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo raha mijangajanga izy, fa ny tenany aza dia mitokana mankany amin’ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ireo mpijangajanga ho fanompoan-tsampy. Tsy ho vanona ny firenena tsy misaina. DIEM PROTESTANTA Tsy hofaiziko ny zanakavavinareo raha mivaro-tena izy, na ny vinantovavinareo, raha manitsakitsa-bady izy. Satria ireny mpisorona ireny aza no mitondra mpivarotena any amin’ny takona, ka mihinana ny sorona aterina amin-tsampy miaraka amin’ireny vehivavy ireny. Fa hoy ny ohabolana hoe: «Izay vahoaka tsy misy fahaiza-manavaka dia vahoaka mamery ny tenany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy hofaiziko ny zanakavavinareo raha mivaro-tena izy, na ny vinantovavinareo, raha manitsakitsa-bady izy. Satria ireny mpisorona ireny aza no mitondra mpivarotena any amin’ny takona, ka mihinana ny sorona aterina amin-tsampy miaraka amin’ireny vehivavy ireny. Fa hoy ny ohabolana hoe: «Izay vahoaka tsy misy fahaiza-manavaka dia vahoaka mamery ny tenany. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, Na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy, Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin’ny mpijangajanga Sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ireo vehivavy mpanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, Ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina. Malagasy Bible Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina. La Bible en Malgache Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo raha mijangajanga izy, fa ny tenany aza dia mitokana mankany amin’ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ireo mpijangajanga ho fanompoan-tsampy. Tsy ho vanona ny firenena tsy misaina. |
Nofoanany tamin’ny tany ny manolo-tena ho mpijangajanga, ary nariany avokoa ny sampy nataon-drainy.
Noravany ny tranon’ireo olona nanolo-tena hijangajanga izay nitoetra tao an-tranon’i Iaveh, izay nanenoman’ny vehivavy lay ho an’i Astarte.
Ny olon-dratsy tsy mahalala ny mety, fa ny mitady an’i Iaveh kosa, mahalala ny zavatra rehetra.
Aiza indray no hasiana aminareo, raha mitohy ny fiodinanareo? ny loha manontolo marary, ary ny fo manontolo mavozovozo.
Rehefa maina ny rantsan-kazo dia tapahina; ka dia avy ny vehivavy hitaina azy. Fa firenena tsy hendry izy, ka tsy hamindra fo aminy Ilay nanao azy, ary tsy hiantra azy Ilay namorona azy.
Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky. Mpiandry ondry izy ireo, tsy mety mahalala na inona na inona! Samy mandeha amin’ny lalany araka izay mahasoa ny tenany avy, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.
Efraima... Inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy? Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy; tahaka ny sipresa maitso Aho; Izaho no iavian’ny voanao.
Henoy ny tenin’i Iaveh, ry zanak’i Israely, fa manana ady amin’ny mponin’ny tany i Iaveh, satria tsy misy intsony na ny fahamarinana na ny fiantrana na ny fahalalana an’Andriamanitra ao amin’ny tany.
Tsy avelan’ny asa nataony hiverina amin’Andriamanitra izy ireo, fa saim-pijangajangana no eo afovoany, ka tsy mahalala an’i Iaveh izy.
satria iriny mafy ny hahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny olona ory; sy ataony izay hiketrahan’ny lalan’ny madinika; satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany mba handotoany ny Anarako masina;
Koa izao no lazain’i Iaveh: ‹Ny vadinao hovetavetaina ao an-tanàna; ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ho lavon-tsabatra; ny taninao, hozaraina amin’ny famolaina, ary ianao ho faty eo amin’ny tany maloto; ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.› »
Niray tamin’i Beelfegôra i Israely, ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.
Ahoana àry no tsy fantatrareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.
Tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ny vehivavy janga, dia tena iray aminy? araka ny Soratra hoe: Ho nofo iray izy roroa.
fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony,
«Aoka tsy hisy mpijangajanga amin’ny zanakavavin’i Israely, aza misy mpijangajanga ny zanakalahin’i Israely.