Hosea 2:23 - Baiboly Katolika Izao no ho tonga amin’izany andro izany: Izaho hamaly, - teny marin’i Iaveh, - Izaho hamaly ny fangatahan’ny lanitra, ary izy hamaly ny fangatahan’ny tany; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany dia hamaly Aho, hoy NY TOMPO; eny, hamaly ny lanitra Aho ary izy kosa dia hamaly ny tany; DIEM PROTESTANTA Rehefa mby amin’izany andro izany, dia ho TOMPO hamaly izay ilaina Aho, hoy ny teny hentitra ambarako: Izaho no hamaly izay ilain’ny lanitra; ny lanitra hamaly izay ilain’ny tany, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa mby amin’izany andro izany, dia ho TOMPO hamaly izay ilaina Aho, hoy ny teny hentitra ambarako: Izaho no hamaly izay ilain’ny lanitra; ny lanitra hamaly izay ilain’ny tany, Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, Eny, hihaino ny lanitra Aho, Ary izy kosa hihaino ny tany; Malagasy Bible Ary amin'izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela, Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao. La Bible en Malgache Amin’izany andro izany dia hamaly Aho, hoy NY TOMPO; eny, hamaly ny lanitra Aho ary izy kosa dia hamaly ny tany; |
Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky; hidera an’i Iaveh izay mitady Azy. Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!
Rahòny ny biby any anaty bararata ny andian’ombilahy aman-janak’ombin’ny vahoaka, mba hiankohoka mitondra anja-bolafotsy, aparitaho ireo firenena tia ady!
Ny vary, aoka ho vokatra betsaka amin’ny tany hatrany an-tampon’ny tendrombohitra! Ny salohim-bary, aoka hisahondrahondra hoatry ny alan’i Libàna! Ny olona, aoka hirobona ao amin’ny tanàna toy ny ahitra any an-tsaha.
Ny iray hilaza hoe: An’i Iaveh aho! ny iray kosa hiantso ny anaran’i Jakôba ho fiarovana; ny hafa indray hanoratra amin’ny tanany hoe: An’i Iaveh! ary halainy ho fanampin’anarana, ny anaran’i Israely.»
Ry Iaveh, heriko ama-mandako, sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana, ho tonga aminao ny firenena maro, avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe: Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga, sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!
Indro, avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hamafazako eo amin’ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà, masombolin’olombelona sy masombolim-biby. Ka izao no hitranga: toy ny niambenako azy ireo: hongotana, hazera, harodana, horavana ary hampahorina,
dia amin’izany Aho vao hanary ny taranak’i Jakôba sy i Davida mpanompoko, ka ho tsy amin’ny taranany intsony ny hangalako filohany ho an’ny taranak’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba! Fa hampodiko ireo lasan-ko babo ary hangoraka azy ireo Aho.
Hovonjeko ianareo ho afaka amin’ny lotonareo rehetra; hantsoiko ny vary, ary hataoko be dia be, ary tsy haniraka mosary aminareo intsony Aho.
Ary nanana anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy, dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Rôkama ny anarany, fa tsy hiantra intsony ny taranak’i Israely Aho ka hamela heloka azy.
Rehefa nafafiko tany amin’ny firenena izy, ka mahatsiaro Ahy any an-tany lavitra, dia hiara-belona izy sy ny zanany, ka samy hiverina.
Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin’ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny Anarako; ary Izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: «Oloko izy!» Ary izy hilaza hoe: «Andriamanitro i Iaveh!»
Izay rehetra sisa tavela amin’ny firenena niakatra namely an’i Jerosalema, hiakatra isan-taona avokoa, hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika, sy hankalaza ny fetin’ny Tabernakla.
Ary i Iaveh ho tonga mpanjaka amin’ny tany rehetra; ary amin’izany andro izany, dia ho tokana ihany i Iaveh, ary ny Anarany ho tokana ihany.
Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao, ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!
Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madio amin’ny Anarako ny olona, amin’ny fitoerana rehetra satria lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena, hoy i Iavehn’ny tafika.
Sa Andriamanitry ny Jody ihany Andriamanitra, fa tsy mba Andriamanitry ny Jentily koa? Eny, Andriamanitry ny Jentily koa izy;
I Jakôba, mpanompon’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, miarahaba ny foko roa ambin’ny folo, izay miely any rehetra any.