Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 2:11 - Baiboly Katolika

Koa halaiko indray ny variko amin’ny androny, sy ny divaiko vaovao amin’ny taonany, sady hoesoriko ny volon’ondry aman-drongoniko, izay enti-manarona ny fitanjahany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Noho izany dia hiverina Aho haka indray ny variko amin’ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ny fotoanany, hesoriko koa ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko izay nomena hasarony ny fitanjahany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa dia halaiko indray ny variko amin’ny androny Sy ny ranom-boaloboko amin’ny taonany, Ary hesoriko ny volon’ondriko sy ny rongoniko, Izay nomena hasarony ny fitanjahany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa dia halaiko indray ny variko amin'ny androny sy ny ranom-boaloboko amin'ny taonany, ary haoriko ny volon'ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Noho izany dia hiverina Aho haka indray ny variko amin’ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ny fotoanany, hesoriko koa ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko izay nomena hasarony ny fitanjahany.

Jereo ny toko



Hosea 2:11
17 Rohy Ifampitohizana  

Nisy fety noforonin’i Jerôbôama tamin’ny volana fahavalo tamin’ny andro faha 15-n’ny volana ho fanahafana ny fety fanao any amin’i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony ôtely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan’ny olona sorona amin’ireo zanak’omby nataony, ary nampitoeriny tao Betela ny mpisoron’ireo fitoerana avo, izay natsangany.


Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hatsahatro amin’ity tany ity, eo imasonareo sy amin’ny andronareo, ny hobin-kafaliana sy ny hobim-piravoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, aman-kiran’ny ampakarina.


Hampijanona eo afovoany aho, ny hobim-pifaliana, ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, ny hiran’ny ampakarina, ny feom-bato fikosoham-bary, ary fahazavan’ny jiro.


Hataoko mitsahatra eo an-tanànan’i Jodà, sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feo fifaliana sy ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra sy ny ampakarina; fa hanjary efitra ny tany.


Hataoko mitsahatra ny feon-kiranao, ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.


Fa mandritra ny andro maro ny zanak’i Israely no hitoetra tsy mana-mpanjaka, tsy mana-mpanapaka, tsy manan-tsorona, tsy manan-tsangam-bato, tsy manana efôda ary tsy manan-terafima.


Namitaka an’i Iaveh izy ireo, fa niteraka zaza hafa firenena; ary ankehitriny ho levon’ny volana ambony izy mbamin’ny ananany.


Ho lany maina ny herinareo, fa ny taninareo tsy hahavokatra, ny hazo amin’ny tany tsy hamoa ny voany.


Hàlako sy tsy ahoako akory izay fetinareo, tsy hankamamiko akory ny fiangonanareo.


Amin’izany andro izany, ny hira ao an-dapa ho zary finaonaonana - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Ny faty ho betsaka, ary hazera hatraiza hatraiza amim-panginana ireny.»


manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efaha hohakelezina, ny sikla hampitomboina; ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.


Fa nifaningotra toy ny tsilo sy toy ny leon’ny divainy izy ireo, ka ho levona toy ny mololo karankaina.